Webradio

FITSENANA NY TAONA VAOVAO : Hetsika maro no nisy tao an-tampon-tanànan’i Sambava

Na saika nitovitovy avokoa aza tamin’ny ankapobeny ny fanamarihana isam-paritra ny fetin’ny faran’ny taona ny alahady lasa teo, dia nisy hatrany nampiavaka izany ho an’ireo faritra sy distrika tsirairay. 3 janvier 2018

Raha ho an’ny distrikan’i Sambava manokana izao dia hetsika maro samihafa no hita tao an-tampon-tanàna. Dihy sy horakora-pifaliana mantsy tamin’ny ankapobeny no nandraisan’ny mponina ny taona vaovao, isan’izany ny tao amin’ny “hotel restaurant Le Capricorne”. Re nanakoako eran’ny tanàna ihany koa ny anjomaran’ireo fiangonana maro samihafa izay namparesaka ny tanàna, araka ny fanadihadiana. Tsy vitsy ihany koa ireo namonjy toeram-pilanonana niaraka tamin’ny fianakaviana. Ankoatra ireo dia toerana maro ihany koa no nahitana alim-pandihizana tao Sambava, isan’izany ny tao amin’ny Tranompokonolona.

Etsy andaniny dia nisy ireo teratany vahiny any an-toerana izay nivondrona tamin’ny toerana iray mba hiara-paly tamin’iny fetin’ny faran’ny taona, singanina manokana amin’izany ireo teratany sinoa. Etsy ankilany dia nanana ny lanonany manokana ihany koa ireo mpandraharaha mahakasika ny vokatra lavanila mba hitsenana ny taona 2018. Araka ny fantatra dia maro ihany koa ireo vondron’olona isaky ny fokontany izay niray hina ka nanao lanonana madinidinika tany anivon’ny faritra misy ny tsirairay ihany. 

Nandritra izany hetsika rehetra izany dia tsy nandry mandra-maraina ny polisim-pirenena nitandro ny filaminana. Amin’ny ankapobeny dia nilamina tanteraka ny fety tao amin’ny renivohitry ny faritra Sava.


Lucien R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n'apparaîtra qu'après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés