Webradio

TRANGA

FIANAKAVIANA NITRANGAM-PAHAVOAZANA MAHATSIRAVINA : Mpiari-tory miisa 8 namoy ny ainy nihotsahan’ ny tany niaraka tamin’ny razana

Loza mahatsiravina no niseho tao an-tampon-tanànan’i Fianarantsoa, ny alahady hariva teo, tokony ho tamin’ny sivy ora alina. 9 janvier 2018

Olona ao anaty fianakaviana iray  miisa 8 no indray niara-namoy ny ainy. Araka ny loharanom-baovao voaray avy any an-toerana dia  be loatra ny rotsak’orana nifanesisesy tao  an-tanàna noho ny fandalovan’ilay rivodoza Ava, hany ka nitarika hatramin’ny fihotsahan’ny tany izany. Vokatr’izay dia ireo mpianakavy  niandry faty  tao amin’ny fokontanin’Ivory no niharan-doza tamin’io fotoana io. Nihotsaka tampoka ny tany  teo ambonin’ilay trano maro tamin’ireo fianakaviana niandry faty no voatototra tao raha ny tatitra voaray ihany. 

Tampoka dia tampoka tamin’ny rehetra ny zava-nisy ka teo vao nikoropaka nifamonjy ny iray tanàna. Avy hatrany dia nantsoina ihany koa ireo mpamonjy voina tao an-toerana mba hanafainganana ny fitadiavana ireo olona voatototra.  Fantatra àry fa tokony ho tamin’ny folo ora alina tany ho any vao hita ny razana miisa efatra. Marihina fa efa tsy nisy aina intsony izy ireo no hita ka samy nampionon-tena avokoa ny rehetra taorian’izay. Taorian’ny fikarohana sy ny fanadihadiana ny isan’ny olona izay voatototra tao dia voafaritra  fa olona miisa valo teo no notombanana ho voatsindrin’ny tany tao. Nanao izay ho afany hatrany ireo mpamonjy voina nitady ireo olona ambiny, ka omaly maraina tokony ho tamin’ny enina ora tany ho any vao hita ny efatra. Noezahina navotana tany amin’ny Hopitaly Tambohobe ireo olona miisa telo taorian’ny nahitana azy saingy tsy voavonjy intsony ny ain’izy ireo.

43 taona ny razana lehibe indrindra, 11 volana ny kely  indrindra

Araka ny angom-baovao voaray hatrany dia fantatra tamin’io fotoana io fa  ny zanaka lahin’ilay nandrasana 43 taona no anisany namoy ny ainy tao.  Anisany nindaosin’ny fahafatesana  tamin’izany ihany koa  ny zafikeliny mbola vao 11 volana monja. 

Nangidy sy mafy tamin’ny fianakaviana ny zava-nisy satria tampoka tamin’izy ireo ny zava-niseho. Etsy andaniny ny fahabetsahan’ireo namoy ny ainy. Araka izay tranga nampihoron-koditra  izay dia tafakatra 9 niaraka tamin’ilay faty nandrasana ny razana amin’izao fotoana izao ka napetraka ao amin’ny “Cercle Cheminot gare” aloha hatreto ireo razana. 

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés