Webradio

TSY FISIAN’NY FANONDROTAN-KARAMA : Miezaka mamono afo ny minisitry ny vola

Nanamarika ny kabary nataon’ny Filoham-pirenena nandritra ny lanonana fifampiarahabana tratry ny taona 2018 natao teny Iavoloha ny zoma lasa teo, ny tsy fisian’ny lahateny ho an’ny fanenan-tsazy sy ny fisondrotan-karama ho an’ireo mpiasam-panjakana. 9 janvier 2018

Isan-taona dia saika ireto farany no andrandrain’ny vahoaka kanefa tamin’ity taona ity dia nahatsiaro ho diso fanantenana tanteraka ny rehetra. Tsy fantatra mazava izay mety ho anton’izany, satria hatramin’ireo filoha nifandimby dia fanaon’ny Filoham-pirenena ao anatin’ny kabariny hatrany ny manondrotra ny karaman’ny mpiasam-panjakana  manodidina ny 7% ka hatramin’ny 10%. 

Niteraka resabe teo amin’ireo mpanara-baovao izany tamin’ity taona ity. Manoloana izany indrindra dia miezaka mamono afo ny minisitry ny tetibola sy ny fitantanam-bola, izay nilaza fa azo irosoana tsara ny fanondrotana karama ho an’ireo mpiasam-panjakana raha ho amin’ity taona ity. 

Raha ny loharanom-baovao voaray dia tombanana hiova ny fomba fampiakarana ny karama amin’ity taona ity ka mety ho amin’ny alalan’ny mari-karama mihitsy, ohatra. Nanazava ny minisitry ny vola sy ny tetibola fa azo atao tsara ny manondrotra ny karaman’ireo mpiasam- panjakana ho amin’ity taona ity saingy mila toromarika avy amin’ny Filohan’ny repoblika izany. Nambarany ihany koa fa tsy misy fiantraikany amin’ny tetibola ho an’ny taona 2018 raha toa ka misy io fanondrotan-karama io. 

“Miandry izay toromarika sy torolalàna izahay ka amboarina araka izay ny karaman’ny mpiasam- panjakana”, hoy ny minisitry ny vola sy ny tetibola, Andriambololona Vonintsalama raha nanamafy ny fanazavany. Araka ny fantatra dia efa misy ny fomba fiasa mba hanalana an’ireo mpiasam-panjakana matoatoa kanefa mbola mandray karama ihany, ity farany izay nampiteraka savorovoro teo amin’ireo mpiasa lasibatra tamin’izany ny faran’ny taona lasa teo iny.

Avotra Isaorana


TSY FISIAN’NY FANONDROTAN-KARAMA
2018-01-09 21:09:17 par bordeaux 33000

TS nasondrotra NY karamz.ino NY Antony.tehirizina ilayvola.atao inona.ho Mary fifanjevonana fifidianana atao am taona ity.hoatrinona ni hividianana vahoka hifitahina am vola NY safidiny MBA azahoana vato betsaka.MBA handresena fa mijaly saina NY hvm am retour NY Landry parce que Landry reviens avec la force. Fait atention hvm. Votre Henry force UEFA hita fa ravan NY force mapar maire dans tous les renivohiparitany sauf Tuléar et tana zay TS nanoloran i mapar candidat.tel andamosin i lalatina i rajoelina.la y vé i la latina sa i hvm.anjaranao mamaly.manao tous le moyen angalatam bâto i hvm satria.maika dia mains am lay g e s izay reharehany te hatao eto hampanagnankarena NY mpiseha politikan NY hvl sy ireo solo bavambahoaka izay namita bahoaka izay tsy mijery afa tsy tombon tsoa malete ao andapa. Lazaina loa Joe ampandroso an i Madagascar hanangananana an io.ouiii. hitondra soja an i malagasy NY francofonie, ouiii.mandroso atsika izao.vol amena omena chinois.mal vu lokon oditra ntsika mainty mipetraka a Chine havako eh. Déjà îles eparce izay anjakany franrsay UEFA TS nirarahi n i mpitondra niady azy.jereo rehefa tonga la rentrée scolaire a France .mahazo anjaravola Navy am fanjakana NY ankizy.Navy aiza sasany Am vola ireo.famarotana are an tsika africain .São dia hare à MBA tokony ho zaraina am vahoaka ! Omena vahiny .MBA hoatrino am vidim bolamena reny MBA ni verser gna am compte ntsika ry malagasy havako.na karamn tsika tsy vohzfa tam décembre. Aiza aby volcan NY volamenantsika zalahy ? De mbola heketsika hagnano kajkajy politique am famoahana code électorale tokony navoaka tam décembre ? NY filoha dia tsy nanao étude am resaka politique izany.tsar y MBA nitantana teto am firenena izy na chef fokotany na chef firaisam pokotany na maire . fa monisitra NY vola izy.izay i ravatoma’ga ni nanolotra azy tam rajoeli’a. Hay olona TS ,ankatia an i rjoelina-Sandy namitaka an i rajoelina ni namitaka antsika vahoaka.TS manaja baibolin NY politique fa enfin Amy zay tiavny azy ni firenena.dia bombe la climogene’no hiarovany NY tenany.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés