Webradio

ANTOKO HVM ANY AMIN’NY FARITRY NOSY BE : Miady an-trano sy mizara roa ?

Tsy any Antananarivo irery fa efa manomboka mipaka any amin’ny faritra ny tsimok’aretina «  ady an-trano  » eo anivon’ny antoko Hvm. 11 janvier 2018

Araka ny loharanom-baovao akaiky ity farany dia mizara roa ny Hvm ao Nosy Be. 
Manoloana ny fifidianana solombavambahoaka manaraka izao, araka ny loharanom-baovao hatrany dia ny ankamaroan’ny Hvm, fa indrindra ireo ao an-tampon-tananan’i Nosy Be dia voalaza tsy mankasitraka ny filatsahan-kofidian’ny depiote Arosy Mamiandrazana François fantatry ny maro amin’ny anaram-bositra hoe François la Banane.

«  Tsy miraharaha afa-tsy ny any amin’ny «  arrondissement  » any ambanivohitra any ny depiote François la Banane satria fantany fa any no betsaka mpifidy. Tena marina, tsy izy no tokony lany tamin’ny fifidianana farany teo fa olon-kafa  », hoy ny fanazavana nataon’ny tanora sasany any Nosy Be  tafaresaka tamin’ny mpanao gazetinay. Mafy araka izany ny asa miandry ny tompon’andraikitra ao amin’ny Hvm  any amin’ny faritra Diana  fa indrindra ny mpandrindra ity antoko ity izay tsy iza fa ny lehiben’ny faritra Diana.

Ny Fanoratana


ANTOKO HVM ANY AMIN’NY FARITRY NOSY BE
2018-01-13 16:57:42 par bordeaux 33000

Na ahazo vato 100% any NY hvm am fifidianana a nosibe !TS mahatohotra vaton NY mapar a Diego.Efa voafehin ’y ma par renivohiparitany rehetra tam fifidianana maire. Ahoana tomba azahoan i hvm fandresena ? Halabato halabato.on est sur.vao maika Mi dégrader fankahalam bahoaka ity filoha ity amzao.hanao autoroute hono MBA handreseny.programan Hasan i rajoelina ihany io ataony maba hanairany NY vahoaka hono fa amza y atao hoe nahavita hono e ! Sahiran tsaina ilay filoha hoe akory atao MBA hanaovana 2 mandat.matahotra dia matahotra satria efa hainy raha mandigny azy .hamoka didy anamborana an i ravalo hono fa meloka. Oui. aza adino fa misy solo meloka tokony ho samborina aminareo ao hitam poko hitam pirenena fa karaha nataon i ravalo ihany io.nitsara i ravalo.nampiditr olona t amponja .izao izy tsaraina ary malaina hiditr amponja.NY sasany izao tokony ho tsaraina tokony hiditr amponja dia mbola ambonin NY lalaana aloha izao satria mbola ao anaty la cour be NY mpitondra.aza mitsara hono fa mbola...mbola hilanay valiny nazahoan NY filoha avion ’vao 1ans au pouvoir.chacun son tour.raharahan anjozoro ne hono TS maints fohazina koa,angaha hisy fitsarana hidiovina karah il foa ?


ANTOKO HVM ANY AMIN’NY FARITRY NOSY BE
2018-01-14 12:44:35 par bordeaux 33000

Aza manaiky habadoan i hvm ireto atsika am fampanantenana ayaony refa akaiky NY fifidianana fa tomba ataony hijanpnany am fitondrana il fa NY mahamaika azy ireo hanao ilay g e s izay TS mitondra tombotsoa Joan tsika vahoaka.nitondra soa ho atsika hono NY francophonie, nandroso sy nitondra soja agnaty lasety sy poketranao vé iz am zao-hanamboatra autoroute hono.hitonda ino am poketra nao vahoaLa NY autoroute.hanairana vahoaka amzay atao Joe niasa NY mpitondra.hevitran jareo am hvm ao ihany io ! Fahantran tsika mitombo isanandro am hvm tua tena ireto.


ANTOKO HVM ANY AMIN’NY FARITRY NOSY BE
2018-01-27 23:21:34 par bbordeaux 33000

O Nicola andrianasolo.malahelo mafy zah mahita cancer m patahoranao an i filohan i hvm.iza moa Naha teo am toerana misy anao io am zao.tsy Navy tam rajoelina ihany ? MBA moramora fangalanao 19 am hvm ao fa EFA leo anareo zahay vahoaka.democrassie NY halabato anie omaninareo ao am zao fa hery nareo efa tsis.MBA milazaa NY marina raha MBA misy fatahorana an andriamanitra anao Nicola.iza no tokony samborina.i claudine sy NY mpiara dia rehetra nanao Sonia am fanodikodinam bola sa i rajoelina.on est en 2018. Ino raha dradradradrainareo 2030.na karamam piasam panjakana aby zalah TS voahefa nareo ? MBA angataho am minisitri NY vola lesy ry rahalahy Nicola MBA amère an i cloclo lay drala MBA hividianan NY mpiasam panjakana na dia taolan kena foa fa EFA lany NY nofonkena,ary andefaso rongony maina andrahoana ilay taolan kena fa lafo NY charbon.tsy hoe TS fitiavako religion nao azafady fa MBA musulman ihany magnano fagnahy hypocrite karaha ataonao ? Pas la peine Mandeha am morsque.


ANTOKO HVM ANY AMIN’NY FARITRY NOSY BE
2018-01-28 18:43:56 par bbordeaux 33000

Efa manao fampielezan kevitra i rajao.mimenimenina NY olona rehetra tsy mandraharaha ireo mpiaradia aminy.nanao propagande i rajoelina tam le 26 teo. Niakatrra tosidran i Nicolas andrianasolo.ha ha ha ha ha.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés