Webradio

FAMPIHAVANAM-PIRENENA : Hiroso amin’ny fampihavanana eny ifotony ireo mpikamban’ny Ffm

Am-perin’asa tanteraka amin’izao fotoana izao ireo mpikambana ao anatin’ny filan-kevitry ny fampihavanana malagasy na ny Ffm. Ato anatin’ny telo volana mifanesy dia ny fampihavanana eny ifotony no imasoan’ireo mpikambana ao anatin’ity rafitra vaovaon’ny fitondram-panjakana ity. 3 janvier 2018

Ny fiandohan’ity herinandro ity dia nisy ny fivoriana nataon’ireo birao maharitra mandrafitra ny Ffm ato anatin’ny faritanin’Antananarivo, ka anisany votoatin’ny fihaonana tamin’izany ny hampahafantarana ny fihavanana sy ny fampihavanana eny ifotony izay tsy maintsy hatao ato anatin’ny telo volana mialoha ny tena hirosoana amin’ny fampihavanana ara-politika ho fiatrehana ny fifidianana. 

Araka ny fanazavana voaray dia ho sarotra ny hanatanterahana ny fampihavanana amin’ity taona ity, indrindra fa amin’izao fotoana ankatoky ny fifidianana izao, anton’izany ny fisian’ny fahadisoan-kevitra mahakasika ny fampihavanana politika. Manoloana izany indrindra dia eo am-pamolavolana ireo paikady hoenti-miady ireo mpikambana amin’izao fotoana izao. 

Nambaran’ny filoha lefitry ny filan-kevitry ny fampihavanana Malagasy ho an’ny faritanin’Antananarivo saika ho amin’ny tontolon’ny politika sy ny manodidina izany hatrany no masaka ao an-tsain’ny olona vao miresaka fampihavanana kanefa tena ilaina indrindra ny hisian’ny fampihavanana eny anivon’ny fiaraha-monina. «  Ny  ao an’eritreritry ny olona, raha vao miteny hoe fampihavanana avy hatrany dia ilay fampihavanana mpanao politika. Any ambany any anefa misy olona mifandrafy, mpirahalahy, mpiray tampo sahy mifamono noho ny zavatra misy aty ambony aty  », hoy ny fanamafisam-panazavana voaray. Manoloana izany indrindra ny hany vahaolana tokana hitan’ireo mpikambana dia ny fidinana ifotony mba hisian’ny fampahafantarana sy ny fanentanana ny olon-drehetra momba ny foto-pijoroan’ity rafitra vaovao ity.

«  Hatao mandritra izany ny fampihavanana ny malagasy amin’ny hareny, ny taniny ary ny soatoavina ao aminy  », hoy hatrany ny fanazavana. Ato Anatin’ny telo volana fiandohan’ity taona ity no fantatra fa hanatanterahan’ireo mpikambana izany, raha ny tapaka nandritra an’io fivoriana nataon’ireo mpikamban’ny Ffm ny talata lasa teo io.

Avotra Isaorana


FAMPIHAVANAM-PIRENENA
2018-01-11 22:00:28 par bordeaux 33000

Anareo am fampihavanam pirenena ity ? Foano agny izy io fa fandaniambola ariana fotsiny olona mpikambana ao ary mandany andro.mandrebireby Saim bahoaka .satria ? Na anareo foa dia tsy hainareo izany hoe fampihavanam pi re ne na.tsy hainareo.amiko hoe fapihavanam pirenena ? Dia firenena misybadim poko.de ? Mila olona iray ampihavana.zany hoe miady NY foko amin ny firenena malagasy.firenena amiko dia fitambaran NY malagasy rehetra .de ? Miady il firenena malagasy il la mila ampihavanana.nef à tsy NY firenena ni miady la mila amifampihavananani firenena malagas miady io.zany ni fampihavanam pirenena amiko.nef à fakafakao NY hevitranao fa TS maints mitovy hevitro NY hevitranao.la aza atanareo hoe fampihavanam pirenena ni tokony lazainareo ffm azy fa ataovy hoe fmppm.Na fifampihavanana NY mpanao politika malagasy.zay tokony ataonareo azy fa TS hoe ffm.satria anareo mpanao politika ni miady fa tsy zahay vahoaka.sa atao hoe misy dahalo sy mpangalatra no ieritreretanareo hoe mila mihanavana.non.ino matonga dahalo.anareo panao politique ao anie agnatin io fiarovana dahalo io e.ary am zao dia TS haNononaanaran olona fa misy loholona am fitondrana ao mpamotsy taratasin omby ary TS manam piniavana hanakatona abatioire NY chinois ao satria miray tendro Amy famarotana hena ahondrana any ivelany.bizina izany.la aza atao hoe ka NY fisiany dahalo dia acusegna hoe ka rats dia mila fampihavana pour stopper .c non.Ray TS diso aho.NY filoha ni hitarika ilay fampihavanana. Hoy i lay président plus fort de mada rajoelina Joe fampihavanana feno fiatsaram belantsihy.fampihavana amiko’dia mamela heloka.tsis olona enjehina afatsy olona nangala bolam panjakana sy namono olona.na nandatsa dra.fa olona TS namono olona toy lilson namoronana Joe tratra ambodiondry nef à antragno nazy izy manao tenu hoe mipetraka antragno solo jiaby ? Zegny a zalahy heloka ? TS amoahanao tenyhoe ! Ihavana aminareo zaho ry malagasy . TS hanenjika anareo mahantra nampahantraiko amin NY taniNareo nomeko trandrahan NY vahiny .

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés