Webradio

TOAMASINA : Nidangana ny vidim-piainana taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Ava

Mikaikaika ny rehetra. Nisondro-bidy ny vidim-piainana ao Toamasina taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Ava.  12 janvier 2018

Ho an’ny vary dia tsy nahitana fiakarana manokana fa eo amin’ireo sakafo fihinana hafa sy ny legioma no nahitana fisondrotana avo dia avo. Ho an’ny legioma dia tafakatra 2 000 Ar ny kilaon’ny anana raha latsaky ny 1 000 Ar izany teo aloha. 

Ho an’ny voatabia dia tsy mahazo voatabia intsony ny 100 Ar fa 200 Ar miakatra vao mahazo. Nahitana fiakarana 100% ny voatabia. Raha 2 000 Ar ny iray kilao teo aloha dia lasa 4 000 Ar izany ankehitriny. Ho an’ny tongolo dia efa tafakatra 4 000 Ar ihany koa ny iray kilao. Ho an’ny karoty, dia 3 500 Ar raha manodidina ny 1 200 Ar hatramin’ny 2 000 Ar izany teo aloha.  

Nisondro-bidy ihany koa ny anamalao. Tsy mahazo anamalao intsony 100 Ar fa lasa 200 Ar. Ny angivy izay vidina 100 Ar ka hatramin’ny 200 Ar dia lasa 400 Ar. Saika ireo tsena rehetra ao Toamasina no nahitana io fisondrotam-bidy goavam-be io. Tsy niandry ela ihany koa ireo mpitondra posiposy fa nampiakatra avy hatrany ny saran-dalana. Lasa 1 500 Ar ka hatramin’ny 3 000 Ar ny saran-dalana ho an’ny posiposy bisikileta ao Toamasina. Tsy mbola nampiakatra kosa ireo bajaj sy taksibe.

Kamy

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés