Webradio

DISTRIKAN’ANTANIFOTSY : Hametrahana ny toho-drano goavana indrindra maneran-tany

Antanifotsy dia isan’ireo distrika mandrafitra ny faritra Vakinankaratra. Ity farany izay manana karazana vokatra betsaka eo amin’ny lafiny fambolena sy ny fiompiana. 7 février 2018

Ilaina araka izany ny fanohanana ireo tantsaha amin’ny alalan’ny fanaovana fotodrafitrasa isan-karazany mba ho fanatsarana bebe kokoa hatrany izany famokarana izany. Amin’izao fotoana izao àry dia fantatra fa noraisin’ny ben’ny tanànan’ Antanifotsy, ny alatsinainy lasa teo, ireo delegasiona avy amin’ny ministera maromaro notarihin’ny talem-paritry ny rano sy ny angovo ary ny akoran’afo ao Vakinankaratra.

Izy ireo izay nanatanteraka ny dinika savaranonando hametrahana ny tetikasa isany goavana iray. Tohodrano lehibe indrindra maneran-tany mantsy no hajoro ao amin’ny kaominina Belanitra, distrikan’Antanifotsy, araka ny fantatra. Antom-pisian’izao dinidinika izao, araka ny voalazan’ny talem-paritry ny rano, ny angovo ary ny akoran’afo Vakinankaratra, dia ny hanatanterahana avy hatrany ny fanamboarana ny lalana mihazo ny toerana hanatanterahana ny tetikasa.

Fotoana ihany koa izany nijerena ireo fotodrafitrasa samihafa toy ny tetezana izay tsy maintsy hamafisina amin’ny tsaratsara kokoa sy hovaina ho vy. Izany no hatao dia mba hahafahan’ireo fiara vaventy mitatitra ny fitaovana hanam- boarana izany fotodrafitrasa  izany. Raha ny antontan’isa nomen’ny injeniera avy amin’ny orinasa izay hanatanteraka ny asa dia milanja 40 taonina ka hatramin’ny 60 taonina ny fiara lehibe iray. Hahazo tombontsoa manokana araka izany ireo kaominina dimy izay handalovan’ny lalana mihazo ilay toerana. 

Velombolo tanterakaireo vahoaka any amin’ity distrika ity satria maro ireo olana ho voavaha, indrindra eo amin’ny fitaterana vokatra. Sahirana tokoa mantsy ny vahoaka mifamezivezy amin’izany lalana izany satria dia mahatratra an’aliny maro ny saran-dalana amin’ireo “taxi-moto”. Raha ny fanampim-baovao voaray avy tamin’ireo tompon’andraikitra mikarakara izany tohodrano izany tsy ho ela dia hatomboka ny fanamboaran-dalana.


Lucien R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés