Webradio

OLAN-TOKANTRANO : Nentina any an-tanindrazany omaly ny razan’ilay polisy

Dimy andro taorian’ny namonoan’ny vadiny an’i Venty dia omaly maraina vao noentina namonjy ny fasan-drazany ny vata-mangatsikany.  9 février 2018

Voalaza fa namela kamboty roa ity raim-pianakaviana namoy ny ainy noho ny fikasihan-tanana nataon’ny vadiny azy. Tsara ny manamarika fa Polisy monisipaly ao Port-Bergé ny lehilahy, izany hoe miasa ao amin’ny Kaominina any an-toerana. Mialoha ny nitondrana azy any amin’ny fasan-drazany dia tonga nanome voninahitra sy nankahery ny fianakaviana ny ben’ny tanàna tao an-toerana sy ireo mpiara-miasa aminy.

Araka ny loharanom-baovao hatrany dia omaly io ihany koa no nitondran’ny Zandary ilay ramatoa vadin’i Venty namono nahafaty azy satria any an-toerana no hitsarana azy. Noho izany dia mbola tsy fantatra ny sazy mety hihatra amin’ity renim-pianakaviana namono vady ity. Hatreto mbola tsy fantatra ihany koa ny tena antony nahatonga ny disadisa tamin’izy mivady ireto ka niafara tamin’ny fikasihan-tanana niafara-tamin’ny fahafatesana izao. 

Raha tsiahivina dia ny sabotsy alina lasa teo no nifamaly i Venty sy ny vadiny ka maty noho ny daroka nataon-dramatoa teo amin’ny hatony ny lehilahy. Tao Tsaratanàna Anjobony, Distrikan’i Port Bergé no nisehoan’ity loza mahatsiravina ity.

Pounie

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés