Manodidina ny tamin’ny 11 ora antoandro, ora nigadonan’ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta, Mahafaly Solonandrasana Olivier teny an-toerana no nanombohan’ny korontana.
Araka ny fandaharam-potoana nomena ireo solombavambahoaka dia nanomboka omaly ary haharitra roa andro ny fandinihana sy ny fandaniana ilay volavolan-dalàna fehizoro natao hifehy ny fifidianana amin’ity taona 2018 ity. Ny Praiminisitra niaraka tamin’ny minisitry ny Fitsarana no nandrasana hanazava amin’ny ankapobeny ny mahakasika ireo lalàna ireo amin’ny depiote. Nafampana anefa ny zava-nitranga teny an-toerana satria, nangatahin’ny Praiminisitra hivoaka ny efitrano nanaovana ilay fivoriana ireo mpanao gazety marobe tonga teny an-toerana.
Noraràna tsy hihaino izay famelabelarana sy fanazavana hataony mahakasika ireo volavolan-dalàm-pifidianana ireo. Ankilany anefa, nisy tamin’ireo solombavambahoaka no tsy nanaiky an’io fanilihana sy famoahana ireo mpitrandraka vaovao io. Teo no niandohan’ny savorovoro satria ireo depiote nanangam-peo tamin’ny tokony hanatrehan’ireo mpanao gazety ny fandinihana io lalàm-pifidianana io. Tsy nanaiky kosa anefa ny Praiminisitra fa nisafidy ny tsy hiteny ary tsy nanomboka ny fanazavana mihitsy raha tsy mivoaka ny trano iretsy farany.
« Misy zavatra afenina amin’ny vahoaka Malagasy angaha no tsy avela hanatrika izany ny mpanao gazety ? », hoy ny antsoatson’ireo depiote nanohitra io fanapahan-kevitry ny Praiminisitra io. Vaovao voaray tamin’ny fotoana nanoratana no nilaza fa naiditra an-keriny fotsiny ireo mpanao gazety. Tamin’ny 11 ora antoandro no tokony hanomboka ny fanazavana mahakasika io lalàm-pifidianana io ny Praiminisitra kanefa hatramin’ny 1 ora antoandro mbola nihazohazo tsy namoaka ny heviny ny tenany. Ny niafarany dia lasa fivoriana nikaton-trano ny fandinihana io lalàna io.
Mampiahiahy
Tsy takona afenina intsony ny tetika maloton’ny fitondram-panjakana ankehitriny amin’ny fiatrehana ny fifidianana. Anisany tena nampanahy ny maro ny mahakasika io volavolan-dalàna fehizoro natao hifehy ny fifidianana io. Nampitarazohana ny famoahana izany, sy ny fampiantsoana fivoriana ireo parlemantera mba handinika izany ary mbola niteraka resabe ihany koa ireo andininy sasany ao anatin’ilay lalàna izay sokajian’ny maro fa novolavolaina mba hahazoan’ny kandidàn’ny Hvm tombotsoa mandritra ny fifidianana filoham-pirenena.
Ankoatr’ ireo rehetra ireo dia mbola nahitana zavatra tsy mazava ihany koa ny fomba noentina nandaniana azy teny amin’ny Antenimierampirenena. Ny lalàm-pifidianana dia iankinan’ny ain-dehiben’ny ho avin’ny firenena ary zon’ny vahoaka ao aminy no mahalala amin’ny antsipiriany ny mahakasika izany. Ny zava-nitranga omaly anefa dia mifanohitra tanteraka amin’izany, satria ireo mpampahalala vaovao hiampita any amin’ny vahoaka no nosakanana. Mitombina ny ahiahian’ireo sepiote sasany izay milaza fa sao misy zavatra afenina amin’ny vahoaka tokoa ao ambadik’ity lalàm-pifidianana ity.
Avotra Isaorana