Webradio

MARARY FO NY HVM : Nahazo fandrahonana ny orinasa mpanamboatra lalana any Ambilobe

«  Soa ihany fa nandalo taty Ambilobe  i Andry Rajoelina. Raha tsy izy, tsy nihazakazaka hanao asa fanamboarana ny lalana simba aty aminay ny fitondrana ka isaorana ny Filohan’ny Tetezamita teo aloha izany  » 15 mars 2018

Hoy ny mponina any Ambilobe raha nigadona ao an-toerana ny delegasiona mafonja notarihin’ny tale misahana ny famoaham-bola ao amin’ny minisiteran’ny asa vaventy, Vita Odon Bruno sy ny talem-paritr’izany ministera izany, omaly. 
Mbola tsy misy milina vaventy fanamboaran-dalana avy any Antananarivo hatramin’izao tonga any an-toerana ary mety tsy hisy satria, araka ny loharanom-baovao, dia orinasa any an-toerana no hanatanteraka ny asa fanarenana ireo lalana simba ao an-tampon-tanànan’ Ambilobe. 

Araka ny loharanom-baovao efa voaloan’ny ministeran’ny asa vaventy ny solika ilaina amin’ny fanatanterahana izany asa izany izay mitentina 10 tapitrisa ariary. Fa inona foana no nataon’ ny fanjakana hatramin’izay e e e ? Misy raha la terre e e e e. Mazava amin’ny mponina any an-toerana, araka izany, fa hatao izany asa fanarenan-dalana izany mba hisakanana ny asa fanamboaran-dalana nampanantenain’ny Filohan’ny Tetezamita teo aloha Andry Nirina Rajoelina tamin’ny fandalovan’ity farany tany an-toerana, ny alakamisy sy zoma teo. Tsy vitan’izany fa nahazo fandrahonana avy amin’ny talem-paritry ny asa vaventy any Antsiranana ny tompon’ny orinasa mpanamboatra lalana ao Ambilobe. Nampitandrina azy ireo ity tompon’andraikitra ity ny amin’ny mety hanatanterahan’ireto mpandraharaha ireto  ny asa fanamboaran-dalana kasain’ny Filohan’ny Tetezamita teo aloha Andry Nirina Rajoelina hatao any Ambilobe. Na izany na tsy izany misy amin’ireo tompon’ny orinasa mpanamboatra lalana ao an-toerana nilaza fa tsy miraharaha fandrahonana nataon’ny talem-paritry ny asa vaventy ity. 

«  Tato anatin’ny efatra taona tsy misy asa nomen’ny fanjakana anay dia izao indray sakanana izahay ?  », hoy ny fanazavana nataon’ny mpandraharaha iray any Ambilobe. Araka ny fahitan’ny mponina azy dia tsy maintsy nahazo baiko avy amin’ny minisitry ny asa vaventy Razafimandimby Eric, izay nandalo tany Ambilobe vao tsy ela teo ity talem-paritry ny asa vaventy ity. Mbola tsy nanomboka hatreto ny asa fanamboaran-dalana kasain’ny fanjakana hatao any Ambilobe. Asa izay hatao tsy ho an’ny vahoakan’Ambilobe, mazava ho azy,  fa noho ny fatahorana ny Filohan’ny Tetezamita teo aloha Andry Nirina Rajoelina. Andrasana ny tohin’ny tantara.

 A.Lepêcheur


MARARY FO AMIN’I ANDRY RAJOELINA NY HVM
2018-03-15 10:37:41 par Tsaraleha VOATSE

Tsy mahagaga fa efa fomban’ny fitondrana ankehitriny ny manao Tip Top politika etszy sy eroa izao eee. Raiso fa manatsara Tanàna izany ry namana ao Ambilobe. Arahao maso fotsiny mba tsy ho asa zara fa vita.


MARARY FO NY HVM
2018-03-17 12:49:19 par bordeaux 33000

Mila mitety Madagascar i rajoelina misy amzay mitohy magnara body an i rajoelina hatrany i hvm.i hvm vé no tokony arahana sa NY mapar e.toy NY tany Tuléar.tam kere.mila force NY TGV hatrany vao manara body.dia alefa amzay NY fanaratsiana an i rajoelina.zany vé dia MBA filoha ? Hay fa tsy haini rajao NY fitondrana firenena.mila force n i rajoelina hatrany.maka tahaka hatrany.hamboaro NY lalana MBA hivezivezen NY fiaran i patrone de l etanhole n i Madagascar.misaotran i rajoelina fa efa miomana hifidy anao NY vahoaka fa tsy mila ity filoha mamotry harenam pirenena ity.ho sahirantsaina ity fitondrana ity raha tonga a mada ireo mpamatsy vola a iem n i rjoelina ity.tena hit fa filoha TS MBA misy vina fa mahita NY hafa hanao dia magnara body.minisitra de finance io amiko fa TS filoha.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés