Webradio

TOKANTRANO VAOVAO : Nifanaiky ho eny mandrakizay i Aina sy Tatianà ny Sabotsy lasa teo

“Fo mitambatra ho iray”, niaraka tamin’ireo hira masina, maneho fitiavana maro isan-karazany no nofidian’i Aina sy Tatianà nandravahana ny fanamasinana ny fanambadian’izy ireo.  14 avril 2018

I Tatianà izay iray amin’ireo mpanao gazety eto amin’ny gazety InoVaovao Faritra mikirakira ny vaovao mikasika ny trangam-piarahamonina sy ny sosialy.

Ny sabotsy 31 marsa lasa teo no tontosa tao amin’ny lapan’ny tanànan’ny Kaominina Bemasoandro-Itaosy ny fisoratam-panambadian’i Aina sy Tatianà. Taorian’io kosa no nanaovana ny famasinana sy ny fitsofan-dranon’ny fanambadian’izy roa tao amin’ny Fjkm Andriamahavola-Ambohidrapeto. Manga kely noravahan’ny loko mangirana kosa no loko nosafidian’izy ireo hampiavaka izany andro manan-tantara sy tsy manam-paharoa eo amin’ny fiainan’izy ireo izany. 

Tonga eo amin’ny laharan’ny fanambadiana izy roa rehefa nifankalala sy nifamantatra tao anatin’ny taona maro nifandimby izay nifangaroharoan’ny mamy sy ny mangidy, ny mahafinaritra sy ny nanahirana dia tafita soa aman-tsara amin’izao dingana izao satria nifanaiky hofatoran’ny Fitiavana.  Noporofoin’izy ireo teo anatrehan’Andriamanitra, ny fianakaviana, ny namana sy tapaka izany ary tsy hadino ny mpiara-miasa. Rehefa vita izany fomba ara-panjakana sy fomba kristianina izany dia nisy ny fiaraha-mifety tao amin’ny trano fanaovan-danonana, Bella Vista Antanimenakely- Itaosy. 

Nafana tokoa izany fiarahana izany ka nalai-nisaraka tamin’ireto mpivady vao ny rehetra. Rehefa harivariva ny andro dia nisy ny fanapahana ny mofomamy niarahan’izy mivady ary nifampizarana tamin’ny rehetra tonga nanome voninahitra ny fankalazana ny fanambadian’izy ireo. Izahay mpiara-miasa rehetra eto amin’ny Gazety Ino Vaovao Faritra, dia maneho ny firarian-tsoa ho ho an’i Aina sy Tatianà Mirary tokantrano anjakan’ny fifankatiavana sy fiadanana ho azy mivady. 

Maharetà hatramin’ny farany ianareo, ho tokantrano irian’olona fa tsy haniry olona ary ho arahin-jazalahy sy zazavavy.


Avotra Isaorana

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés