Webradio

ANIVORANO-AMBATOLAMPY : Raim-pianakaviana iray tratra teo am-panolanana zazavavikely 10 taona

Tsy mitsaha-mitombo ankehitriny ny fahitana ireo raim-pianakaviana na tovolahy sarona manolana zaza amam-behivavy  eny anivon’ny fiarahamonina. 12 avril 2018

Fantatra tamin’ny angom-baovao voarainay, omaly teo am-panoratana àry fa raim-pianakaviana  iray no voalaza fa nikononkonona hanolana zazavavikely tokony ho 10 taona, izay mpiray vodirindrina  aminy ny alatsinainy maraina lasa teo tany Anivorano Avaratra, kaominin’Ambatolampy. 

Tamin’ny fotoana nandehanan’io zazavavikely io nianatra tany amin’ny sekoly tsy miankina iray teo an-tampon-tanàna no nitranga  ity fame tavetana mahatsiravina ity. Ilay zaza nikiakiaka no nanaitra ny besinimaro  ka namonjy azy haingana ireto farany. Ilay raim-pianakaviana kosa tsy nahahetsika ka  voasambotra teo ihany. Rehefa natomboka ny famotorana dia gaga ny mpitandro filaminana satria rehefa nampiantsoana teo ilay rangahy dia  tsy sahy nilaza na inona na inona ilay zazavavikely fa raiki-tahotra.

Voatery  navoaka aloha itsy farany izay vao namboraka ny zava-nisy sy nitomany ilay zaza ary nanambara fa “ notambazan’io lehilahy io vatomamy ary nobedainy sy nampidininy ny atin’akanjony”. Rehefa nanontaniana anefa ilay raim-pianakaviana  dia nandà ary nilaza fa tsy nikasa  ny hanolana azy velively. Rehefa natao àry ny fizahana ilay zaza tany amin’ny tobim-pahasalamana, omaly dia  hita fa mbola tsy nahitana fahasimbana ilay zaza. 

Izany hoe teo am-pikasana hanao ny filàn-dratsiny io rangahy io no  nisy kotaba tampoka ka tsy nahavita nanolana ilay zaza. Mbola mitohy hatramin’izao ny famotorana sy ny fanadihadiana ny zava-niseho ka efa eo am- pelatanàn’ny mpitandro filaminana ny raharaha.


Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés