Webradio

SENDIKAN’NY MPIASA : « Aza atao fitaovana hanaovana praopangady ny mpiasam-panjakana »

Lasa sorona amin’ny raharaham-pirenena matetika ireo mpiasam-panjakana. Izy ireo izay tsy maintsy manaraka ny baikon’izay mpitondra eo amin’ny fitondrana satria tsy te ho very asa. 13 avril 2018

Manaporofo izany ny fanerena azy ireo tsy maintsy hanatrika ireo karazan-danonana ataon’ny mpitondra mba hanamaro isa ireo mpanotrona.
Manoloana izany dia nisy ny fanambaràna nataon’ny firaisankinan’ny sendikan’ny mpiasa na Ssm. Mahatsiaro tanteraka izy ireo fa lasa fitaovana politika ny mpiasam-panjakana. Fantatra fa asain’ny mpitondra hiakatra eto Antananarivo avokoa amin’izao ireo lehiben’ny Csb sy ny lehiben’ny Zap manerana ny nosy.

Tsy fantatra mazava izay anton’ny fiantsoana fa ny hany tokana azo antoka dia ny fikasan’ny fitondram-panjakana hanipy teny miendrika fampielezan-kevitra ho azy ireo sahady. Toherin’ny firaisankinan’ny sendikan’ny mpiasa izay mety ho endrika mety ho fanaovana sorona ny mpiasam-panjakana ao anatin’ny fampielezan-kevitra izay. Ankoatr’izay, nisy teboka maromaro ihany koa nivoitra nandritra ity fanambaràna nataon’ny Ssm ity. Anisany nitondran’izy ireo fanehoan-kevitra ihany koa ny mahakasika ilay lalàm-pifidianana. 

Miandrandra ireo mpikambana ary miantso ny fandraisan’andraikitr’ireo mpahay lalàna mandrafitra ny fitsarana avo momban’ny lalàm-panorenena mba hijery ny tombotsoa ambonin’ny firenena amin’ny fandaniana an’io lalàm-pifidianana io. Miantso ireo mpitandro filaminana ihany koa ny Ssm amin’ny hanaovan’izy ireo ny asany araka ny tokony ho izy, dia ny hiaro ny vahoaka sy ny fananany fa tsy ho lasa hery famoretana hampihorohoro vahoaka.  

Mamofompofona krizy ny firenena, na ara-politika io na ara-tsosialy. Hafatra natsipin’ireo mpitarika eo anivon’ny firaisankinan’ny sendikan’ny mpiasa ho mpiasa malagasy ny mba  hanarahan’izy ireo akaiky ny toe-draharaha misy eto amin’ny firenena sy ny mba handraisan’ny tsirairay ny andraikiny mifanandrify amin’izany. Iaraha-mahita fa ny mpiasa na miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana no anisany mibaby ny voka-dratsin’ny korontana sy savorovoro misy eto amin’ny firenena.


Avotra Isaorana

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés