Miampy trotraka ny fisian’ny orinasa indo-pakistaney iray izay manana toby fitehirizina ‘chrome’ tsy lavitra ny Trano Mora izay mampiasa fiarabe mitatitra io akora io ka tsy maintsy mandalo eo amin’ny lalana Trano Mora.
Vokany, potika ny lalana. Sahirana ireo vahoaka. Misedra olana na ny mpandeha fiara na ny mpandeha kodiaran-droa na ny mpandeha an-tongotra indrindra fa ireo ankizy mpianatra.
Ny antoandron’ny alakamisy teo, dia nifampitaona tao amin’ny toerana misy ilay orinasa mpanimba lalana ireo vahoaka monina eny amin’ny Trano Mora.
Nisy ny fihaonana tamin’ny tompon’andraikitr’ilay orinasa Al-Bass. Nampanantena ireto farany fa hanamboatra ny simba. Telo andro ny fe-potoana nomen’izy ireo hanaovana ny asa fanamboarana.
Hetsika am-pilaminana no natao. Nilaza hitohy ny hetsika raha tsy mitazona ny teny nomeny ilay orinasa.
Kamy