Webradio

DEPIOTE JOCELYNE MAXIME : Mitady ny fomba rehetra hahafahana misambotra azy ny Hvm

Mitohy ny antsojay ataon’ny mpitondra fanjakana ao amin’ny Hvm amin’ireo olom-boafidy tsy mitovy firehana politika aminy fa indrindra ireo miara-dia amin’ny filohan’ny Tetezamita teo aloha,  14 avril 2018

Andry Nirina Rajoelina. Hoesorina amin’ny toerany  ny Ben’ny tanànan’i Mahajanga, Andriantomanga Mokhtar ary efa nampahafantatra mialoha an’izany ny mpikambana ao amin’ny governemanta iray rehefa nivahiny tao amin’ny onjam-peo tsy miankina iray ny alakamisy teo. Noroahina tao amin’ny trano fonenany teny Amparibe taorian’ny hetsika nataon’ireo depiote Mapar, Tim, Vpm, Mmm ary tsy miankina manohitra ny lalàna mifehy ny fifidianana tsy nasiam-panitsiana ny solombavambahoka, Razanamahasoa Christine andro vitsivitsy lasa izay. 

Tsy ity farany irery no tadiavin’ireo tompon’andraikitra ao amin’ny Hvm hanaovana ramatahora sy enjehina fa ny depiote hafa ihany koa ka anisan’izany ny depiote Jocelyne Maxime voafidy tany Antsiranana. Araka ny loharanom-baovao nisy nanadihady ny fomba fampiasan’ity farany ny volan’ny «  Cld  » fa tsy nahitana zavatra maloto. Araka ny loharanom-baovao hatrany dia namporisihina hitory an’ny depiote Jocelyne Maxime ny tompon’andraikitra ambony iray ao amin’ny Antenimieram-pirenena fa tsy nanaiky hiditra amin’ny kilalao maloto. 

Ny fanaovana antsojay sy fanaparam-pahefana amin’ireo izay heveriny fa mety hanelingelina azy amin’ny fifidianana manaraka no hitan’ireo tompon’andraikitra ao amin’ny Hvm fa mety. Na izany na tsy izany tsy hampihemotra ny depiote Jocelyne Maxime velively izany rehetra izany  ary hijoro hatrany ny tenany, hoy izy hiaro ny tombotsoan’ny vahoaka sy ny firenena.  Alefa ihany  ry Hvm a  !  «  Ny marigny koa havy vandy jiaby milefa  », hoy ny fiteny any amin’ny tapany avaratry ny Nosy.

A.Lepêcheur

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés