Webradio

TANAMBAO VERRERIE - TOAMASINA : Lehilahy voalaza fa misy devoly, maty nandoro tena

Rangahy iray sahabo ho 48 taona avy any Vangaindrano monina ao Toamasina no maty irery tao an-tranony ny sabotsy 14 avrily tokony tamin’ny 6 ora maraina. 16 avril 2018

Tao Tanambao- Verrerie parisela 21/71 no nisehoan’izany. Ny alin’ny zoma 13 avrily hifoha ny sabotsy 14 avrily misasak’alina, dia nilaza ho nahita devoly ilay rangahy ka naka vy nanenjehany ireo devoly lazainy fa hitany. Tamin’ny fotoana nanenjehany ireo devoly lazainy fa manenjika azy no nahazo ny loham-badiny ilay vely vy nataony ka naratra mafy ilay ramatoa. Ny alin’iny ihany,  dia nentin’ny fokonolona teny amin’ny hopitaly Csb II Morarano ilay ramatoa vadiny. Tsy misy ahiana ny ainy taorian’ny fahazoana fitsaboana saingy mbola notazomina tany amin’ny Hopitaly aloha izy ny alin’iny fa tsy mbola navela namonjy fodiana.

Ny marainan’ny sabotsy 14 avrily tokony ho tamin’ny 6 ora maraina, dia nidona- tsetroka ny trano misy an’ilay lehilahy milaza fa misy devoly manenjika. Afo efa nilelalela no hitan’ny fokonolona. Ireto farany izay niezaka nanavotra azy tao anatiny saingy tsy tratra intsony ny ainy. 

Fantatra fa afo niniany natao avy tao an-trano no nahatonga io fahamaizana io sady nohidiny avy tao anatiny ny trano. Kaka no anaram-bositra ahaizan’ny maro io lehilahy maty namono tena irery tao an-trano io. Mpitaona entana tao amin’ny seranantsambon’i Toamasina ny asany. 

Mialohan’ io famonoan-tena nataony io dia mbola hitan’ny mpiara-monina nisasa tarehy teo ivelan’ny trano izy. Fantatra kosa anefa fa matetika milaza ho mahita devoly manenjika azy i Kaka.  


Kamy

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés