Webradio

BEACH SOCCER CAN 2018 : Mazava ny lalan’ny ekipam-pirenena Malagasy Barea mankany Egypta

Tsy nisy ny mety ho tahotra na ihany koa ny sakana ho an’ireo mpilalao mandrafitra ny ekipam-pirenena beach soccer na ny Barea milalao amin’ny torapasika izany.  26 novembre 2018

Tontosa teny amin’ny torapasika Village touristique tokoa mantsy ny lalao miverina, ny sabotsy tolakandro teo. Fihaonana teo amin’ny ekipa Mozambikana sy ny ekipam-pirenena malagasy ireto izany. Na niezaka mafy aza ireto vahiny nandritra ity lalao ity dia nasehon’ireo mpilalao Malagasy fa izy ireo no tompon’izany taranja Beach soccer izany aty Afrika, satria dia sesilany ny baolina matin’ ireto mpilalao izay tantanan’i Ben na i Le blanc ity teny amin’ny village.

Na izany aza anefa dia tsy nanaiky lembenana ihany koa ny vahiny dia ry zareo Mozambikanina satria namono baolina ihany koa izy ireo ary tena ady sahala hatramin’ny farany mihitsy ny lalao. Izany hoe nisaraka tamin’ny isa 5 no ho 5 izy ireo teo ambony kianja nandritra ny fizaràm-potoana nilalaovana. Tsy ampy hampiakatra an-dry zareo vahiny anefa na nanao ady sahala aza izy ireo teto amintsika satria resintika tamin’ny isa 5 no ho 4 izy ireo tamin’ny lalao mandroso, izay natao tamin’ny 9 septambra lasa teo iny.

Noho izany, rehefa natao ny kajy tamin’ireo baolina matin’ny ekipa roa tonta dia manana isa 10 ny Barea beach soccer, raha 9 kosa ny isan’ireo Mozambikanina. Mazava araka izany ny lalana ho an’ny ekipam-pirenena Malagasy hiatrika ny can 2018 izay atao any Ejipta ny volana desambra ho avy izao. Na teo aza anefa iny fandresena iny dia tsy misy ny andraso andraso ho an’ireo mpilalao sy ny mpanazatra Malagasy satria avy hatrany dia hiatrika ny fanazaràn-tena hahafahana miatrika ny Can izy ireo manomboka ny volana oktobra izao. Izany hoe, hisento kely aloha mba hahafahana manome aina ireo mpilalao rehetra saingy arahana toro-hevitra eny antsefatsefany eny ihany mba tsy hampibirioka loatra azy ireo.

Eto Mahajanga ihany no hanaovana ny fanazaran-tena ary mbola ny tora-pasika Village touristique no handray azy ireo amin’ izany. Miantso ny mpitia baolina kitra amin’ny tora-pasika moa ireto mpilalao mba ho tonga maro hanotrona ny fanazaran-tena izay ataon’ izy ireo mba ho fanomezana hery ny mpilalao Malagasy.

Papin

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés