Webradio

MISS BOENY : Ao amin’ny New Park Resort no ofanina ireo mpifaninana Miisa folo 

Miisa folo ireo tovovavy hiatrika ny fifaninanana miss Boeny. Izay maharesy amin’izy ireo no hiatrika ny fifaninanana miss Mada, izay hatao any Antananarivo renivohitra  amin’ny volana  desambra izao.  2 octobre 2018

Teny amin’ny New Park Resort izy ireo no napetraka sy nomena fiofanana. Nampianarina azy ireo ny fomba mendrika tokony hananan‘ izany miss izany. Ny fahalalam-pomba sy fahaiza-miaina rehetra tokony ho hainy hitondrany ny tenany, ny fomba fisakafoanana ary fomba fiteny. Fa nianaran’izy ireo manokana ihany koa ny fanatanjahantena, ny fiakanjoana, ny filatroana ary ny fifehezana ny teny vahiny sy ny kabary. 

Na tao anatin’ny mason-tsivana aza ny fahalalana ankapobeny sy fifehezana teny vahiny dia mbola tsapa ho marefo izy ireo. Marihina anefa fa ny voafidy ho miss Madagascar dia hisolo tena  an’i Madagascar amin’ny fifaninanana Miss Monde ary ny faharoa amin’ny fifaninanana  Miss Univers. Avy eto Mahajanga avokoa ny ankamaroan’izy ireo ary misy solontena avy any Ambondromamy. 16 taona ny zandriny indrindra ary 24 taona ny zokiny amin’izy ireo. Omaly sabotsy moa no natao tao amin’ny Baobao Tree ny famaranana.

Vanessa

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés