Webradio

MILAVONJY PHILOBERT : Voaroaka tao amin’ny Foko Antandroy fa “Nanota fady”

“Nanota fady”, hoy ny loharanom-baovao. Nikomy ny mponina tany Androy ny faran’ny herinandro lasa teo noho ny fihetsika tsy voahevitra izay voalaza fa nataon’ny depiote Milavonjy Philobert, depiote niara-dia tamin’ny antoko Hery Vaovaon’i Madagasikara (Hvm). 9 octobre 2018

Raha ny vaovao voaray dia nikasa ny hanao soron-dambo tao amina tanàna kely iray ao anatin’ny Faritra Androy ity olom-boafidy. Toerana izay voararan’ny fady ifampifehezan’ny mpiray tanàna hiandraiketan’ireo olobe sy ampanjaka fa fady ary tsy azo itondrana kisoa. Teo amin’io faritra io mihitsy anefa no nikasa hanao soron-dambo izany ny depiote Milavonjy Philobert izay tena nampirehitra ny hatezeram-bahoaka.

Vokany, niafara tamin’ny hetsi-bahoaka tao an-tanàna ity ota fady nataona depiote ity. Raikitra ny filanjana sora-baventy manerana ny tanàna izay manameloka io fihetsika nataon’ny solombavambahoaka Milavonjy io. Mitaky tsy misy fepetra ny hanalana an’ity farany tsy ho ao anatin’ny fianakaviamben’ny foko Antandroy intsony ny mponina any an-toerana. Araka ny loharanom-baovao voaray hatrany dia ireo ampanjaka ao an-tanàna mihitsy no miray feo sy manameloka ity fihetsika nataon’ny depiote Milavonjy Philobert ity.

Ny Fanoratana

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés