Webradio

FIFIDIANANA - FIAROVANA NY ZON’OLOMBELONA : Notanterahina tao Toamasina ny atrikasa

Notontosaina nandritra ny roa andro tao Toamasina, ny alatsinainy sy talata 9 oktobra, tao amin’ny Espace Miou Miou Antseranam pasika ny atrikasa momba ny fametrahana fanaraha-maso ireo endriky ny tsy fanajana ny zon’olombelona mandritry ny fifidianana eto Madagasikara. 10 octobre 2018

Atrikasa andraisan’ ireo fiarahamonim-pirenena anjara. Eo koa ny mpanao gazety avy amin’ny faritra telo (Analanjirofo, Atsinanana, Alaotra Mangoro). Ary ny avy ao amin’ny Liberty 32, tetikasa PEV Madagascar ary ny solontenan’ireo mpisolovava, … no nanatanteraka izao atrikasa izao.

Zava-dehibe amin’ny tontolon’ny asa atrehan’izy ireo mandritra ny fifidianana izao natao izao. Ny andro voalohany no nanolorana ireo toromarika rehetra ho an’ny mpisehatra. Maro ireo endrika isehoan’ny tsy fanajana ny zon’ olombelona mandritra ny fotoam-pifidianana eto Madagasikara. Tafiditra ao anatin’ izany ny fanerena safidy. Nijerena aro-faninana ireo tsy fanajana zon’olombelona ireo mba hoenti-misoroka sahady. Marihina fa tantsoroka avy amin’ny Pnud no nahafahana nanatanteraka izao atrik’asa tao Toamasina izao.

Kamy

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés