Webradio

FAMPIELEZAN-KEVITRA TAO TOLIARA : Nanatanteraka diabe ny vahoaka miaraka amin’i Andry Rajoelina

Na dia mbola tsy tonga nitsidika ny tanànan’ i Toliara aza ny Kandida laharana faha 13 tamin’ ny fanombohana ny fampielezan-kevitra dia efa naneho ny firaisankinany sahady ny vahoaka tao an-tampon-tanànan’i Toliara sy ny manodidina ireo mpiara-dia aminy. Diabe namakivaky ny tanàna no nanehoana ny hafaliana tamin’io fotoana io.   11 octobre 2018

Horakoraka miandrandra fanantenana ary nivoitra tamin’izany ny hoe  : “ isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina”. Ny Depiote Siteny Randrianasolo-niaiko voafidy tao an-toerana sy ny Depiote Tinoka Roberto voafidy tao Sakaraha no mpitarika navitrika tamin’ izany ka nisy ny fitoka-nana sy fampahafantarana ireo foiben-toerana na ny “quartier général” miisa sivy, izay natao hiasan’ny mpikambana iray manontolo mandritra ny  fotoam-pifidianana ity. 

Efa dodona sy sasa-miandry avokoa ny mponina any amin’ny faritra Atsimo ary velom-panantenana noho ny fanehoam-pitiavan’i Andry Rajoelina manoloana ny tanindrazana. Mila fanarenana tokoa i Madaga-sikara eo anatrehan’izao fahantrana goavana eo amin’ny lafin’ny fampandrosoana izao ka ilaina ny fananana tanora gasy vonona sy sahy toa azy. 

Faritra maro teto Madagasikara moa no  efa niray hina nanatanteraka izany diabe izany  tamin’ny fanokafana ny fampielezan-kevitra na tsy mbola tonga tany an-toerana aza ny kandidà Andry Rajoelina, toy ny tao Toamasina, Befandriana Avaratra, Ihorombe,  Ihosy, Vangaindrano ary Manakara.  Mbola hitohy izany ary  samy manamarika avokoa fa ny kandida Andry Rajoelina irery ihany no vahaolana eto amin’ny Firenena.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés