Tao amin’ ny “restaurant Capricorne” no nanatanterahana ny fanatsarana ny dinik’asa ka tombontsoa lehibe maro sesehena ho an’ny fampivoarana ny tontolon’ity vokatra ity no tanjona tratrarina. Nisy ny famoriana ireo tantsaha ary fantatra tamin’izany fa ny fitadiavana vahaolana hitondra ny fanavaozana ny fambolena ary koa hitsinjovana ny momba ny fiainan’izy ireo manokana no tena voatsindry tao anatin’ izany.
Fanondrotana avo ny Faritra Sava eo amin’ny lafiny ara-toekarena ary koa fanentanana ny vahoaka fa reharehan’i Madagasikara ity seha-pihariana lavanila ity. Raha ny loharanom-baovao voaray matetitetika aloha mahakasika ny halatra lavanila maitso any an-toerana tamin’ity taona ity dia azo lazaina fa mba efa nilamindamina ary efa tsy dia nahitana olona nanao izany loatra intsony.
Tatianà R.