Webradio

FAMBOLEM-BARY AO AMBATORIA : Hanamboarana toho-drano lehibe ny vahoaka

Amin’ny maha tendron’i Madagasikara an’i  Diego Suarez dia nampanantena fotodrafitrasa goavana sy lehibe ny kandida Andry Rajoelina fa any no nolazainy hanombohana ny vina rehetra izay hotanterahina hanarenana ny fiainan’ ny Malagasy.  11 octobre 2018

Faly sy ravo araka izany ny vahoakan’Ambatoria raha toa ka anisan’ ireo toerana notsidihan’ny kandida laharana faha-13 Andry Nirina Rajoelina, tao anatin’ny Faritanin’ Antsiranana, nandritra ny fanombohana ny fampielezan-kevitra. Nandritra io fihaonana io dia saika voavaly avokoa ny hetahetam-bahoaka. Nahaliana avy hatrany ny mponina ny fametrahana angovo ambany vidy mandeha amin’ny herin’ny maso-andro izay amin’ny sarany roa arivo ariary monja isam-bolana. 

Paikady vaovao hialana amin’ny fampiasana labozia moa no tena tombontsoa katsahina  amin’izany ary indrindra  fa natao hanampy sy hitsinjovana ny fiainana andavanandron’ny mponina. Ankoatra izay dia velom-panantenana tanteraka ny tsirairay satria hisy ny fanamboarana tohodrano  lehibe ao an-toerana mba ho fampiroboro-boana ny sehatry ny fambolem-bary. Havaozina ny fiainan’ny tantsaha mba hialana amin’ny fahantrana mangitsokitsoka amin’ izao fotoana izao. 

Tsara tsindriana ihany koa etsy andanin’izay  fa kaominina miisa 12/20 ao anatin’ny  faritanin’ Antsiranana dia saika mpamokatra lavanila daholo. Apetraka ny fanamby, tratrarina ny tanjona, hoy ny Filohan’ny IEM dia ny hahatonga an’ Ambatoriha ho anisany sompitra lehibe eto Madagasikara. Notsiahiviny tao anatin’ ny lahateniny hatrany fa ny fitiavana no nanery azy hampandroso ny Firenena. Entanina hatrany araka izany ny vahoaka Malagasy iray manontolo mba tsy ho diso safidy intsony ka hanaiky voarebirebin’ireo mpanao politika efa zatra namotika an’i Madagasikara tao anatin’ny taona maro. Efa vonona sy ampy traikefa ny lehilahy ary tanora sahy hanarina ny Nosintsika ao anatin’ ny fotoana fohy.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés