Webradio

TSY FISIAN-DRANO ANDOHARANOFOTSY : Nanatanteraka fanangonan-tsonia ny mpanjifa

Noho ny olana  momba ny  tsy fisian’ ny rano misy fiafarany amin’izao fotoana dia naneho ny hatezerany ireo mponina mipetraka  eny Andoharanofotsy, omaly tontolo ka nanatanteraka hetsika ho fanoherana izany.  6 novembre 2018

Mijaly tanteraka izy ireo ary mahatsiaro  ho voatohintohina hatramin’ny asa fitadiavana. Voatery nanambatra hery araka izany ny mponina mba hamahana ny olana. Nanao fanangonan-tsonia faobe manambara  fitarainana ireo mponina io omaly io, rehefa vita izany dia nihazo ny masoivohon’ny Jirama teny Andafiatsimo mba hitaky ny famahana olana faran’izay haingana. Efa naharitra andro maro, hoy ireto farany ny fijaliana ka mangataka ny fandraisana andraikitra hentitra izy ireo mba hamerenana izany indray amin’ny laoniny.

 Tsy misy vahaolana maharitra

 Saika ho manerana an’Antananarivo renivohitra amin’izao fotoana izao ny olana goavana mahakasika ny tsy fisian-drano. Maharitra ora maro ny fahatapahana, raha tonga aza ny fiverenany dia mbola  ilaharana sy tsy maharaka akory ny filàn’ny mponina no sady mampimenomenona ny rehetra ny fahalotoany. Olana miverimberina ary tsy ahitana vahaolana maharitra eto amintsika hatreto ny  famahana izany, hany ka tafiditra ao anatin’ ny fahasahiranan’ny mponina voaray isan-taona ny olan’ny  famatsian-drano. 

Manampy trotraka ny delestazy

Tsy hita soritra na dia kely aza anefa ny fandraisan’andraikitry ny mpitondra ary lasa zary fahazarana ho azy ireo ny mihaino  fotsiny ity tranga iray ity. Faritra maro eto Antananarivo no efa  nandefa fampandrenesana eny anivon’ny orinasa Jirama saingy toa zava-poana ihany ary  tsy mahazo rariny ny vahoaka. Ny fidangan’ny vidin-drano aloa isam-bolana indray aza no hita mibaribary  mampiferinaina nefa dia tsy afa-manohitra akory ny rehetra.  Raha ny loharanom-baovao voarainay teo aloha teo izao dia ireo mponina mipetraka amin’ny Faritra Atsimondrano toy ny  eny Andramahavola Itaosy no tena  ikoizana amin’ny   fijaliana rano. 

Maharitra herinandro  mihitsy aza matetika ny tsy fisian-drano  ka na dia miverina mandeha kely aza izany dia ilaharana sy tsy mahazo akory ny sasany dia tapaka indray. Raha ny tatitra voaray teny an-toerana ihany dia mbola tsy misy fanafany izany mandraka ankehitriny.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés