Webradio

PRAIMINISITRA CHRISTIAN NTSAY : Miezaka manatanteraka ny andraikitra nankinina taminy

Tamin’ny  andron’ny fifidianana filohan’ny Repoblika ny 7 novambra lasa teo iny  dia tonga nanatanteraka ny adidiny teny amin’ny INFA, toerana misy ny birao fandatsaham-baton’ny fokontany Androhibe, ny Lehiben’ny Governemanta, Ntsay Christian.  9 novembre 2018

Nitodika tamin’ny Malagasy rehetra izy naneho fisaorana tamin’ny anaran’ny Governemanta manontolo, manoloana ny fandraisana andraikitra tamim-pahendrena nahitana taratra ny soatoavina maha-malagasy, ka nahatanterahan’ny fifidianana tao anaty fitoniana sy filaminana  : «  Zavatra iray no hany iriko, dia ny mba hahafahan’ny vahoaka mampiasa ny fahefana sy ny zony amin’ny alalan’ny fifidianana izay ho filohan’ny Repoblika hitantana ny Firenana mandritra ny dimy taona manaraka. 

Zavatra iainantsika ankehitriny izany ary mahafaly ahy tokoa ny miara-mahita amin’ny Malagasy  ny firosoan’ny Firenena mankany amin’ny fanajàna ny demokrasia sy ny fahaiza-mitantana ary ny tany tan-dalàna, izay hitondra rivo-baovao hanatrarana ny fandrosoana  » , hoy izy. 

Nampahatsiahiviny ihany koa fa mikasika ny tohin’ny fifidianana dia mbola vonona hatrany ny Governemanta hitondra ny anjara birikiny amin’ny fandraisana andraikitra sy fanohanana ny CENI. Ity farany moa, izay nanankinana manontolo ny hetsika rehetra momba ny fifidianana, dia marihina fa efa nandray fepetra manokana hialàna amin’ny fikorontanana samihafa mety hateraky ny hetsika miseho aorinan’ny fifidianana, toy ny fakàna ny hevitry ny olona amin’izay mety ho lany ho filohan’ny Repoblika.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés