Webradio

ANDREFAN’NY TSENAN’ ANOSIBE : Olona miisa 4 levon’ny afo, aminan- tapitrisany ny fahapotehana

Ankoatra ny fisehoan’ny lozam-pifamoivoizana tato ho ato dia  manao ranolava ihany koa ny trangana hain-trano  amin’izao fotoana izao eto an-drenivohitra.  9 novembre 2018

Trano manodidina andrefan’ny Tsenan’Anosibe no may kila forehitra ny 7 novambra lasa teo, tokony ho tamin’ ny folo ora alina tany ho any. Nahazo hery ny afo ary niitatra tamin’ ireo tsena sasantsasany izany, raha ny loharanom-baovao vorainay teny an-toerana omaly. Vokany, olona miisa efatra be izao no fantatra  tamin’ny ora nanoratanay fa namoy ny ainy, levon’ny afo nandritra ny fahamaizana. 

Trano manodidina ny 300 tafo any ho any koa no kila forehitra, ka entana marobe tombanana an-tapitrisany no levona sy nanjavona tao anatin’ny fotoana fohy. Anisany tena nampirongatra ny firehetana ireo trano hazo teo amin’ny manodidina ka misy tamin’ireo mponina no nilaza fa vokatry ny fampiasana labozia no  nahatonga ny voina. Hatramin’ny omaly nanoratanay hatrany  anefa dia mbola tsy voafaritra mazava ny zava-nisy. 

Tsikaritra tamin’ny zavatra hita ifotony àry fa mbola  mikaroka izay sisa tavela tao anaty lavenona ireo  fokonolona. Niezaka nifarimbona ny teo amin’ny manodidina tamin’ny famonoana ny afo saingy tsy nahitam-bokany intsony. Nampimeno-menona ny mponina ny  fiandrasana ela ireo mpamonjy voina. Miantsoroka ny famotorana ity tranga ity moa ny eo anivon’ny mpitandro filaminana eny an-toerana ankehitriny.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés