Webradio

KARNAVALY NOELY : Hetsika ara-kolontsaina maro hanafana an’i Toamasina ao anatin’ny efatra andro

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety ny marainan’ny sabotsy 15 desambra teo no nanambaran’ny  orinasa Rasolo Export sy ny fikambanana Tamiagna notarihin’ny mpandrindram-paritra Sabotsy José, fa tsy misy idiran’ny resaka politika na ny kely aza ny fampihaingoana ny araben’ny fahaleovantena sy ny karnavaly noely izay  atao ny 20, 21, 22, 23 desambra, eo anoloan’ny lapan’ny tanàna.  20 décembre 2018

Nomarihin’izy ireo fa vokatry ny ezaka ataon’ny fikambanana roa tonta madiodio io hetsika io. Ny anjaran’ny kaominina dia nangatahana alalana nahafahana nanao an’ izany. Nanome toerana sy fahahazoan-dalana ny kaominina. Anisany mpiara-miombon’antoka ihany koa ny prefektioran’ i Toamasina raha ny “The Way”no mpanohana. Nambaran’ny mpandrindram-paritry ny fikambanana Tamiagna hatrany fa mila fety miavaka sy tanàna mihaingo ny vahoakan’ i Toamasina sy ireo vahiny mandalo. 

Maro rahateo ny hetsika hiseho mandritra ny efatr’andro io. Fifaninanana ara-panatanjahantena sy kolontsaina, dihy netim-paharazana, dihin’ny tanora ankehitriny. Hetsika izay samy hofaranana amin’ny fizarana loka maro ho an’ izay mivoaka mandresy sy mendrika ary hisy ihany koa ny fizaràna mari-pankasitrahana ho an’ ireo mpanao fanatanjahantena sy kolontsaina ary ny mpanao gazety "Sangany 2018.
Maimaim-poana ny fijerena fampisehoana isan’andro. Fety izay hafanain’ny mpanakanto maro tahaka an-dry Kapepeky, Lion Hill, Elly Derosse, Oza Jerome, G4Tro… 

Misy koa ny fisarihana izay mety hahazoana moto na fiara sy kojakoja maro samihafa. Roa arivo ariary ny fandraisana anjara amin’ny tapakila amin’ny fisarihana.

Kamy

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés