Webradio

HALATRA VOLA TAMINA BANKY : Sarona tany Mahajanga ilay vahiny tompon’antoka

Ny alatsinainy lasa teo  no saron’ny zandary tao an-tampon-tanànan’i Mahajanga ilay teratany frantsay manodidina ny 32 taona, tompon’antoka tamin’ny  fisintomana vola tamin’ny “gab” bmoi teto an-drenivohitra, izay tamin’ny alalan’ny karatra tsy ara-dalàna.   9 janvier 2019

Tsy nampoizin’ ity farany ny nahatratra azy  ary fomba fiady izay tsy  dia fahita loatra teto Madagasikara rahateo koa. Araka ny fanazavana voaray bebe kokoa momba ny zava-nisy dia  nandritra ny tontolo andron’ny  4 janoary lasa iny  ity farany no  nanatanteraka izany ka  vola mitentina  113 tapitrisa ariary no voasintony nanomboka   tamin’ny  dimy ora maraina  ka hatramin’ny  dimy ora hariva. 

Manana ireo karazana «  carte bancaire  » ity farany, izay tsy miasa eto Madagasikara ka ireny no nentiny nampiasaina  tamin’ireny gab ireny nisarihana vola.  Karatra maherin’ny zato no nampiasainy tamin’izany ary in-162 nisintona ireo volabe ireo izy. Efa voasambotra ity nahavanon-doza ity ka mbola atao famotorana lalina ny mombamomba azy iray manontolo.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés