Ankoatra ny fahasimban’ny lalana izay dibo-drano, vokatry ny fahatsentsenan’ny lakandrano ka mahatonga ny rano maloto mihandrona etsy sy eroa, izay mampijaly ny faritra iva dia manana olana goavana ihany koa ireo monina eny amin’ny toerana avo. Ny fihotsahan’ny tany, ny filatsahan’ny vato toy ny zava-niseho tamin’ny taon-dasa teny amin’ny Fokontany Tsimialonjafy Mahamasina, ireo no tena mampanahy ny vahoaka miaina eto Antananarivo renivohitra amin’izao fotoana izao.
Manodidina ny tanànan’Andohalo, Ambaninampamarinana, Andrefan’Ambohijanahary... Ireo no azo lazaina fa toerana avo anisany mampatahotra indrindra, hisian’ny fihotsahana na vatobe mikorisa rehefa tonga ny fotoam-pahavaratra. Ny sabotsy lasa teo tokony ho tamin’ ny valo ora alina tany ho any dia trano miisa efatra teny Ambaninampama-rinana Andohalo, manakaiky ny tohatohabato 416 ao anatin’ny Fokontany Tsimialonjafy indray no nihotsaka vokatry ny oram-be tsy an-kijanona, ny alin’ny sabotsy 19 janoary io.
Marobe ny olona tototra tao izay namoy ny ainy sy naratra mafy ka noezahin’ny mpamonjy voina sy ny teo amin’ny manodidina novonjena haingana. Tamin’ny tatitra voarainay farany omaly tolakandro nandritra ny fanangonam-baovao aloha dia fantatra fa miisa sivy ireo olona namoy ny ainy. Razana miisa efatra no efa hita tamin’izay fotoana izay ka ny dimy mbola karohina fatratra, miisa telo kosa ireo naratra mafy ary efa nalefa eny amin’ny tobim-pahasalamana. Nahazo antso tamin’ny olona manodidina ny Zandarimariam-pirenena tao Ankadilalana, ka avy hatrany dia nandefa zandary maro hanao famonjena teny an-toerana no sady niantso ihany koa ny mpamonjy voina.
Mbola tao anaty oram-be nikija izy ireo no nanatanteraka ny vonjy aina ka nananosarotra ny fitadiavana ireo olona tototra, izay mbola nitohy hatramin’ny omaly tontolo. Arahina akaiky ny fizotry ny asan’ireo mpamonjy voina sy tompon’andraikitra mahefa misahana ny raharaha hatramin’ny anio. Efa nandeha nitsidika sy nandray andraikitra tamin’ ireo niharam-boina tamin’io fotoana io moa ny Minisitry ny mponina teo aloha, Naharimamy Irmà, tao anatin’izay ihany koa ny Praiminisitra teo aloha izay lehiben’ny governemanta marimaritra iraisana, Ntsay Christian.
Mila andraisana fepetra hentitra
Raha tsiahivina kely ny tamin’ny taon-dasa dia efa namono olona maro ny fihotsahan’ny vato teny Ambaninampamarinana. Izany hoe tsy vao izao no nisehoana tany mihotsaka teny amin’ity toerana ity saingy ny angatahin’ ny mponina dia tokony handraisana fepetra ireo mponina mipetraka eny amin’ireo toerana ireo. Eo ihany koa ny tokony handrarana ireo olona mbola sahy manorina trano amin’ireo toerana atahorana. Iaraha-mahalala mantsy fa efa miha feno hipoka ny tanànan’Antananarivo ary efa tokony hohavaozina mihitsy aza na ny firafitry ny tanàna. Mba hisorohana ny loza mandritra ny fotoanan’ny orana rahateo koa anefa dia tokony hafindra toerana aloha ireo fianakaviana amin’ny toerana atahorana fa mety hihotsaka ka hampidi-doza hafa indray.
Tatianà R.