Webradio

POLITIKA

VADIN’NY FILOHAN’NY REPOBLIKA : « Tsy manao tsindry bokotra amina tompon’andraiki-panjakana na amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana amin’ny ankapobeny”

7 février 2019

Nitondra fanampim-panazavana ho fantatry ny besinimaro ny fiadidiana ny Repoblikan’i Madagasikara tamin’ny alarobia 06 Febroary 2019 lasa teo mikasika ny andraikitra sahanin’ny vadin’ny Filohan’ny Repoblika. 

Nisongadina tamin’izany fa ny vadin’ny Filohan’ny Repoblika dia manamafy ny fandalàny ny soatoavina sy ny foto-kevitra ifaharan’ny fiarahamonina malagasy dia ny "fitiavana, ny fihavanana, ny fifanajana ary ny fitandroana ny aina".Mahatsapa ny andraikitra goavana tokony ho raisin’ny vehivavy mba hisian’ny fampiraisana sy ny filaminana ara-tsosialy, ary mba hahatongavana any amin’ny fampandrosoana ara-toekarena sy ny fanabeazana.Resy lahatra ny amin’ny tokony hikatsahana fiainana tsara kokoa ho an’ny zaza amam-behivavy mba hiantohana ho avy mamiratra kokoa ary mahatsapa ny maha-zava-dehibe ny firotsahana lalindalina kokoa amin’ny fikatsahana ny mahasoa ny Vahoaka malagasy.

Noho izany indrindra dia manipika ny fankatoavany ireto foto-kevitra goavana manaraka ireto Ramatoa Rajoelina Razakandisa Mialy, vadin’ny Filoham-pirenena : Ny Filohan’ny Repoblika no tompon’antoka voalohany amin’ny fampizorana araka ny tokony ho izy ny fiainam-pirenena. Ny andraikitry ny vadiny dia ny manohana azy amin’ny fanatanterahany io asa masina io, ka miara-dia aminy amin’ireo fivoahany ofisialy izay ataony. Ho fanajàna tahaka ny anaka andria-maso ireo soatoavina repoblikana lalain’ny fanjakana, ny vadin’ny Filohan’ny Repoblika dia tsy mitsabaka mihitsy, na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana, amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana.  Tsy manao tsindry bokotra amina tompon’andraiki-panjakana na amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana amin’ny ankapobeny,  tsy mandray karama na tambin-karama, tsy manana kabinetra ary tsy misy sora-bola natokana ho azy ao anatin’ny tetibolam-panjakana. Mpiara-miasa mpanampy iray kosa no omen’ny fanjakana azy handrindra ny fandaharam-potoanany sy hiaraka aminy amin’ireo dia izay ataony.

Nanome toky ny vadin’ny Filoha fa hitandro sy hanaja izay lalàna mifehy
Eo anatrehan’izany indrindra dia nanome toky Ramatoa Rajoelina Razakandisa Mialy, vadin’ny Filohan’ny Repoblika, fa ao anatin’ny asa sy andraikitra izay hosahaniny dia hilofo bebe kokoa izy hanohy hiasa mandrakariva hanampy ny firenena sy ny vahoaka amin’ny alalan’ny fikambanana izay tarihany.Hametraka ho laharam-pahamehana ary hiady manokana amin’ny herisetra atao amin’ny vehivavy sy ny ankizy ho fitandroana ny zon’olombelona ary koa ny fahamendrehana sy ny soatoavina maha olona.

Hiaro ny tontolo iainana amin’ny alalan’ny fandaharan’asan’ny sehatra PAESFA izay tarihany mba ho fanatsarana ny fiainana sy ny fahasalaman’ny tokantrano tsirairay. Ity fanambaràna no sady fanazavana ity moa dia nentina tamin’ny anarany mazava sy mangarahara momba ny tena tokony ho andraikitry ny vadin’ny Filohan’ny repoblika eo amin’ny fiainam-pirenena ary nanao sonia izany ny talen’ny kabinetran’ny fiadidiana ny Repoblikan’i Madagasikara.

Ny Ami

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés