Webradio

JIRAMA MORONDAVA : Nisy fitaovana famokarana herinaratra nirehitra ny alarobia maraina teo

Ny alarobia maraina tokony ho tamin’ny iray ora sy sasany  tany ho any  no may kila forehitra  ny “groupe” iray  ao amin’ny  foibe famokarana  herinaratra   jirama Morondava .  7 février 2019

Araka ny tatitra  voaray  avy  amin’ny tompon’andraikitra any an-toerana, omaly  dia efa voafehy ara-dalàna ny afo   ary tsy misy atahorana intsony, vokatry ny ezaka avy amin’ny  mpamonjy voina sy  ireo fokonolona. Manoloana izany indrindra dia  tsy maintsy nisy aloha ny fepetra noraisina  amin’ny alalan’ny  fifampifandimbiasana ny jiro alefa  manerana ny tanàna na “deléstage tournant”, manomnoka eto manko dia tsy ho ampy intsony ny  famokarana herinaratra.

Maharitra adiny  efatra   ny fanapahana ny jiro ,ny maraina amin’ny valo ora  hatramin’ny  efatra ora hariva. Mitohy indray izany  ny  hariva eo anelanelan’ny enina ora hariva hatramin’ny folo ora sy sasany any ho any. Tsy maintsy hisedra olana aloha hatreto  ny mponina  eo anatrehan’izany  fandaminana izany, eny fa na dia  efa hita soritra sy manampy trotraka  aza ny  fijaliana amin’ny resaka herinaratra eto amintsika , saika manerana ny Madagasikara. Efa eo am-pikatsahana vahaolana  hamerenana amin’ny  laoniny ny famatsiana amin’izao fotoana izao ireo tompon’andraikitra ao amin’ity faritra ity.

 Tatianà R

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés