Webradio

ANTOKO TGV - BORIBORITANY V : Nitohy tao amin’ny fokontany Ambatobe ny fifampiarahabana

Tontosa soa aman-tsara tamin’ny sabotsy lasa teo ihany koa ny fifampiarahabana nahatratra ny taona nifanaovan’ireo mpikatroka Tgv rehetra ao amin’ny fokontanin’Ambatobe eny amin’iny boriboritany fahadimy iny.  10 février 2019

Tahaka ny mahazatra dia nasain’ ireo mpitarika ny Tgv ao amin’ity fokontany ity hanatrika ity lanonam-pifaliana sy fiaraha-mitotorebika ity ihany koa ny «  Prezida Hary  », filoha mpitarika  ny Antoko TGV eny amin’iny boriboritany fahadimy iny. Tonga mavitrika namaly ny antso ny «  Prezida Hary  » ary tahaka ny efa nataony tamin’ireo fokontany enina nifampiarahaba nahatratra ny taona, nanasa azy talohan’io tamin’ny sabotsy lasa teo io dia nanome «  toromarika  » sy nitondra «  tsipy hevitra  » ho an’ny mpikatroka Tgv ao amin’ity fokontanin’Ambatobe ity ihany koa ny tenany.

Vita iny ny fifidianana Filoham-pirenena, tafavoaka ho mpandresy tao anatin’ny hazakaza-pifidianana ny Filoham-pirenena, Andry Rajoelina izay notohanana ka araraotina ny fihaonana tahaka izao, hoy izy, ifampizarana sy ifanomezana toromarika amin’ny fiatrehana ny fifidianana mbola ho avy. Nohamafisin’ny Prezida Hary ihany koa fa tsy mbola mifarana hatreo ny tolona sy ny fanomezan-tanana ny Filoha satria vao ny fototra izay no mijoro fa ny vovonana iadian’ny lohany, tsy mbola tafapetraka tsara ka ilaina hatrany ny manambatra ny hery ary tompon’antoko tanteraka amin’izany ny antoko Tgv.

Nandritra ity fifampiarahabana  ity ihany koa no nilazan’ny «  Prezida Hary  » fa mila tazonina ny maha antoko laharana voalohany ny antoko Tgv amin’ny fifidianana rehetra mbola ho avy ka isan’izany ny fifidianana ben’ny tanàna sy ny fifidianana solombavambahoaka. Notsindriany manokana ny mahakasika ny fifidianana solombavambahoaka  ary nohazavainy fa mila maka ny maro an’isa eny anivon’ny antenimieram-pirenena ny antoko Tgv mba hahamarim-pototra ny fitondrana satria ny datin’ny fifidianana solombavambahoaka dia efa navoakan’ny vaomiera mahaleo tena misahana ny fifidianana na ny Céni ka ilaina hatrany ny miomana amin’izany.

Ny Ami 

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés