Webradio

TANAMBAO-VERRERIE : Olona efatra voasambotra,Kalaky 3, basy PA 1 ary bala 153 sarona

Eny am-pelatanan’ireo jiolahy ao Toamasina ireo fitaovam-piadiana mahery vaika tahaka ny ananan’ny mpitandro filaminana.  10 février 2019

Nahazo loharanom-baovao ny polisy ao amin’ny boriborintany voalohany Toamasina tarihin’ny Kaomisera Rakotovao Jean Christian fa misy tokantrano iray mitahiry fitaovam-piadiana mahery vaika fampiasan’ireo jiolahy amin’ny fanafihana mitam-piadiana ao Toamasina renivohitra. 

Ny zoma 8 febroary tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany antoandro, dia sarona tao amina tokantrano iray tao Tanambao-Verrerie ny kalaky 3, basy PA iray, bala kalaky miisa 122, bala PA miisa 31, sabatra 2. Mbola nahitana kojakoja halatra ihany koa tao amin’ilay trano. Toy ny baffle roa , lecteur roa, finday,… Olona efatra no voasambotra niaraka tamin’ireto fitaovam-piadiana mahery vaika ireto ka vehivavy ny telo amin’izany.

Mbola misy olona efatra eo ho eo karohina amin’izao raharaha izao. Nandritra ny fiantsoana mpanao gazety nataon’ny teo anivon’ny polisim-pirenena, nitondra fanazavana ny Kaomisera Rakotovao Jean Christian fa mitovy laharana amin’ireo balana kalaky sarona ireo ilay bala nitifiran’ny jiolahy an’ilay polisy tao Tanamborozano ny maraimben’ny alahady 6 janoary lasa teo iny. Azo ambara fa goavana izao vokatra azon’ny polisy tao Toamasina izao. Nanambara moa ny polisim-pirenena Toamasina fa mitohy ny fanadihadiana lalina amin’izao raharaha izao. Hofantarina ny toerana nivoahan’ireo bala sy fitaovam-piadiana mahery vaika ireo. Mitaky ny fivoahan’ny marina ny vahoaka. Ny vahoaka ao Toamasina izay miaina andriran’antsy isan’andro.

Mbola maro ireo jiolahy mandehandeha any

Ny alin’ny zoma 8 janoary io ihany, dia tokantrano iray tao Tanambao-Verrerie parisela 21/71 no nidirana jiolahy an-keriny. Efa-dahy nisaron-tava nirongo basy kalaky miisa efatra no nandroba tao amin’ilay tokantrano. Ilay ramatoa ihany no tao an-trano tamin’io fotoana io, ka afaka naka izay tian’izy ireo nalaina ny jiolahy. Nandrahona ny hamono ireo olon-dratsy raha niantso vonjy ny tompon-trano. Naharitra 15 mn teo ho eo izy ireo tao anaty trano. Vola 3 300 000 Ar sy vola vahiny manodidina ny 250 euros no lasa tamin’izany. Alohan’ny handeha dia mbola niteny ireo jiolahy hoe  : " lasa izahay fa amin’ny manaraka indray miverina". Porofo io tranga tao Tanambao-Verrerie io fa na dia teo aza ny fahatraran’ny polisy ireo kalaky sy Pa ary bala marobe ireo, dia mbola misy fitaovam-piadiana mahery vaika maro eny am-pelatanan’ireo jiolahy ao Toamasina amin’izao fotoana izao. Mbola asa goavana arak’izany ny miandry ny mpitandro filaminana ao an-toerana.

Kamy

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés