Webradio

DISADISAM-PIARAHAMONINA TAO AMBATO BOENY : Olona miisa 2 naratra mafy, iray maty

Ny zoma lasa teo tokony ho tamin’ny 12 ora sy sasany antoandro tany ho any no raikitra ny fifandonana   teo amin’ny mponina miisa telo, mipetraka ao amin’ny Fokontany   Antsenavao Kaominina Andranomamy Distrikan’Ambato Boeny.  10 février 2019

Nisahotaka   ny fokonolona tao an-toerana nanoloana ny zava-niseho no sady tsy nisy nahalala izay tena fototry ny ady.  Raha ny tatitra voaray, omaly teo am-panoratana ny lahatsoratra dia samy naratra mafy avokoa izy telo ireo noho ny fifampikasihan-tanana sy fampiasana zava-maranitra. Niezaka nanasaraka azy ireo ny mponina saingy nananosarotra izany ka tsy maintsy nampandre haingana ny mpitandro filaminana nandamina ny raharaha. Ny zandary avy ao amin’ny Borigadin’ Andranomamy no tonga haingana nisahana izany.

Efa samy  vaky ra avokoa ireto mpifanandrina ary tsy nahazaka tena intsony. Ny  iray tamin’izy ireo no fantatra fa nindaosin’ny fahafatesana   satria    voaporofo fa  voakapoka tamin’ny famaky ny  lamosiny, feno mangana ny vatany iray manontolo, hany ka maty tsy tra-drano teo noho eo ihany  ity farany. Ireo roa hafa kosa nalefa nitsabo tena  ao amin’ny CsbII ao an-toerana. Aorian’izay dia hatao famotorana izy ireo alohan’ny hiakaran’ny raharaha eny anivon’ny Fitsarana.  Manoloana ny tsy fandriam-pahalemana any amin’ity Faritra ity indray dia mangataka  fiaraha-miasa  amin’ny  mponina ireo zandary mba  hanome loharanom-baovao marim-pototra raha sendra ka  mahita trangan-javatra hafahafa mampiahiahy.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés