Vonona hanampy sy hanohana tanteraka ny ekipam-pirenena ny minisitra miaraka amin’ny fitondram-panjakana ankehitriny. Tsy nofinofy tahaka ny nisy hatrizay intsony ny fanohanan’ny fanjakana ny tontolon’ny fanatanjahantena raha ity fihetsik’Andriamatoa minisitra ity no zohiana. Ny minisitra rahateo efa nilaza teo aloha fa hajoro tsy ho ela eto amintsika ny Akademiam-pirenena momba ny fanatanjahantena hanofanana sy hanampiana ny tanora tsy hirona any amin’ny filibana anaty zava-mahadomelina fa mba ho tonga matihanina amin’ny taranja iray izay hanofanana azy na koa ankafiziny.
Isan’ireo vina napetraky ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ihany koa moa ny fanampiana ny tanora mpitia fanatanjahan-tena sy ny fanohanana ny ekipam-pirenena malagasy izay hiatrika ny lalaon’i Afrika na ny Can amin’ity taona 2019 ity. Fantatra ihany koa nandritra ny valandresaka nataon’ny minisitra, omaly, fa nahazo vola mitentina roa hetsy dolara avy amin’ny Kaonfederasionin’ny baolina kitra na ny Caf, tambin’ny fahafahana hiatrika ny Can ny Barean’ i Madagasikara.
Ankoatra izay dia anisany nasian’ny minisitra Tinoka Roberto resaka ihany koa ny mahakasika ny komitin’ ny fampanaraham-penitra izay natsangan’ny Fifa vonjimaika hitantana ny federasionin’ny baolina kitra malagasy. Tsy maintsy vahana tsy misy hatak’andro, hoy ny minisitra ny olana rehetra ao amin’ny federasionina ary tokony hohajaina ny fe-potoana farany nomena ny kaomitin’ny fampanaraham-penitra izay tokony hifarana amin’ny 12 mey 2019 ho avy izao.
Ny Ami