Webradio

TRANGA

NIRONGATRA NY MPONINA, NIREFOTRA NY BASY : Mpianatra iray maty voadaroka, olona iray hafa maty voatifitra, trano 16 amin’ireo 25 may an’ny polisy

Nafana ny zava-nitranga tao Maroantsetra ny sabotsy 6 avrily lasa teo. 7 avril 2019

 Ny zoma 5 avrily, nisy tovolahy vao 16 taona nosamborin’ny polisy. Io tovolahy io izay mbola mpianatra ary voalaza  fa voarohirohy tamina raharaha vaky trano. Vehivavy no mpitory azy tamin’izany.

Ny marainan’ny sabotsy 6 avrily, naterin’ny polisy tany amin’ny hopitaly Maroantsetra ilay tovolahy fa hoe marary. Tonga teny amin’ny Hopitaly, nilaza ny dokotera fa olona efa tsy misy aina intsony io naterin’ ny polisy io. Natao avy hatrany tao amin’ny tranom-patin’ny Hopitaly Be ny razana. Ny antoandron’io sabotsy io ihany, dia tonga naka ny razana ny fianakaviana.

Fahafatesana izay nanohina mafy ny fianakaviana sy ny vahoaka tao Maroantsetra. Fantatra mantsy fa nahitana ratra ny vata mangatsiakan’ity tovolahy. Nanamafy ny fianakaviany fa salama tsara ilay tovolahy tamin’ny fotoana nisamboran’ny polisy azy. Ho azy ireo sy ny fokonolona dia maty vokatry ny vono nataon’ny polisy ny havan’izy ireo.

Naterin’ny fianakaviana teo anoloan’ny biraon’ny polisy ny razana. Nisy ny fifampiresahana nataon’ny lehiben’ny distrikan’i Maroantsetra tamin’ny fianakavian’ny maty. Nanaiky hitondra ny razana tany an-trano ireto farany.
Tsy nanaiky mora kosa ny vahoaka izay efa vory maro teo anoloan’ny biraon’ny polisy  ary nitaky avy hatrany fa maso solon’ny maso. Tafiditra tao amin’ny biraon’ny polisy ireo andian’olona marobe. Nitifitra ny polisy ka lehilahy iray no namoy ny ainy. Raha atambatra izany, dia olona roa no maty, ilay tovolahy namoy ny ainy sy ilay rangahy voatifitra.

Tsy mbola nisy fisamborana

Vao mainka nampiakatra ny hatezeram-bahoaka izany. Ny polisy ao Maroantsetra izay ambaran’izy ireo fa efa mpanao fanamparam-pahefana miverimberina. Taorian’io tifitra io, niala teo anoloan’ny biraon’ny polisy ny vahoaka ka nihazo ny trano fonenan’ny polisy. Hatramin’ny fotoana nanoratanay ny lahatsoratra (alahady antoandro), dia olona iray no namoy ny ainy, trano 25 may nodoran’ny vahoaka nentin-katezerana, izay ana polisy miasa ao Maroantsetra sy an’olon-tsotra. Hatramin’ny 10 ora alina ny sabotsy 6 avrily io, nirefodrefotra ny basy tao Maroantsetra. Tonga nanampy ireo vahoaka tao tampon-tanàna ny vahoaka avy any ambanivohitra. Ireto farany izay notaterina tamina kanoty maimaim-poana, araka ny vaovao voaray avy any an-toerana.

Ny lehiben’ny distrikan’i Maroantsetra izay nantsoina tamin’ny antso an-tariby ny alahady 7 avrily tamin’ny 6 ora sy sasany maraina, dia nandiso ireo vaovao niely tao anaty tambajotra sosialy milaza fa 4 no maty. Iray ny olona maty nandritra io sakoroka ny andron’ny sabotsy io, hoy izy. Ity lehiben’ny distrika ity izay nandray andraikitra feno tamin’ny fitadiavam-bahaolana. Hatramin’ny fotoana nandefana izao vaovao izao ( alahady antoandro), dia tonitony aloha ny ao Maroantsetra.
Miely ny feo ao Maroan-tsetra fa olana teo amina tovovavy niarahana polisy iray sy ilay mpianatra maty no niteraka ny olana. 

Niantso ny mpanao gazety ny lehiben’ny distrikan’i Maroantsetra Raharison Mahatombo, ny alahady 7 avrily tamin’ny 5 ora sy 50 mn hariva. Nambarany nandritra izany fa raha ny «  autopsie  » avy tamin’ny mpitsabo izay tonga teo am-pelatananay dia voamarina fa matin’ny daroka tokoa ilay tovolahy. Ny antoandron’ny alahady 7 avrily no tonga tao Maroantsetra ny Minisitry ny Atitany, Minisitry ny Filaminana anatiny, Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandariamariam-pirenena ary ny Kaomandin’ny Zandarimariam-pirenena. 

Nisy ny famangiana ny fianakavian’ilay mpianatra namoy ny ainy sy ilay rangahy maty voatifitra. Nisy avy eo ny fivoriana niarahana tamin’ny tangalamena, lehiben’ny sampandraharaham-panjakana ary ny vahoaka. Toky no nomen’ireto iraky ny fitondrana foibe ireto fa tsy maintsy hosokafana ny fanadihadiana hamantarana ny tena zava-misy marina.

Tsy mbola nisy kosa aloha ny fisamborana hatreto na avy amin’ny vahoaka na ny avy amin’ny polisy. Amin’ireo trano may, ny 16 dia tranona polisy avokoa.
Nanamafy ny lehiben’ny distrika Maroantsetra fa efa tony ny ao an-toerana ny andron’ny alahady io. Ho hita eo ny ho tohin’ny raharaha ary ny fanadihadiana ataon’ny manampahefana no ahafantarana ny marina rehetra momba ity raharaha ity.

Kamy

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés