Webradio

STARTIMES - FITSINJOVANA NY MPANJIFA : Nanome vatsy ho an’ ireo mpanjifa niverina namandrika

Mahatsapa ny fahasahiranana lalovan’ ny fianakaviana tsirairay ny StarTimes. Ho fitsinjovana ireo mpanjifa ao aminy, nisy ny fizarana vatsy ho an’ ireo mpanjifa niverina nanavao ny fanofana.  9 avril 2019

Voalaza fa maro ny olana sedrain’ ny isan-tokantrano rehefa tonga ny faran’ ny volana, fandoavana ny faktiora maro samihafa, ny fanomanana ny saram-pianarana ho an’ ny ankizy ary ny fandoavana hofan-trano… Mba hanamaivanana izany dia nisy ny hetsika manokana nataon’ ny orinasa StarTimes ka hahafahan’ ny rehetra misikatra sy mijery ny fahitalavitra nomerika. 

Ny volana marsa lasa teo no efa nilaza ny tompon’ andraikitry ny orinasa fa ireo mpanjifa tsy afaka miverina manofa mandritry ny telo volana dia hisitraka ny hetsika antsoina hoe “ kitapom-batsy ”. Ny faran’ ny herinandro lasa teo iny, nisy ireo mpanjifa miisa folo nahazo vary iray gony milanja 50 kilao, mpanjifa 20 nahazo vary milanja 5 kilao sy menaka iray litatra ary ny ambiny nahazo menaka roa litatra. Ireo anarana azo avy amin’ ny alalan’ ny antsapaka dia ampahafantarina ao anatin’ ny pejy Facebook ny StarTimes. 

Misy hatrany ny tolotra vaovao entin’ ny StarTimes ho an’ ireo mpanjifa. Naneho fankasitrahana ho an’ ity orinasa ity avokoa ireo mpanjifa tonga nandray ny anjarany teny amin’ ny foibeny tetsy Ankorondrano. “Tsara ny StarTimes ary mahafapo ny fandaharana amin’ ireo fahitalavitra rehetra alefany ”, hoy ny voalazan’ireo mpanjifa.

Avotra Isaorana}

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés