Webradio

TRANGA

DISTRIKAN’I MANANJARY : Zazavavy 9 taona voaolana tany am-pamonjena alim-pandihizana

Mirongatra izay  tsy izy  tato ho ato  ny trangana fanolanana, herisetra amin’ny alalan’ny vono, tsy fanajana ny zon’olombelona izay amin’ny endrika maro samihafa.  12 avril 2019

Matetika ireo zaza tsy ampy taona avokoa no tena lasibatra amin’izany.   Vokatry ny  firoboroboan’ny teknolojia, fanarahan-drenirano  ny fombafomba vahiny, ireo  no antony voalaza fa isany tena mampirongatra ny fanolanan-jaza amin’izao fotoana. Toy ny zava-nisy  tany amin’ny  Fokontany Seranana Kaominina Andonabe Distrikan’i Mananjary ny alin’ny 7 avrily lasa teo izao  dia  zazavikely vao  sivy taona monja no  voaolana tany anaty alim-pandihizana iray  ao an-toerana. 

Voalazan-dRazafindravao reniny,  niteraka azy moa fa namonjy alim-pandihizana tamin’ny toeran-kafa niaraka tamin’ny namany ity zazavavy ity.  Tamin’izay fotoana  izay no nitranga  ny  fametavetana niampy  fikasihan-tanàna ilay zaza.  Nalaina tovolahy iray an-keriny  ka  tsy  navelany  raha tsy potika tanteraka ny fivaviany, voarangotra hatramin’ny tendany mihitsy aza ary naratra mafy  ity farany. Raha ny  angom-baovao voaray  hatrany dia nanaraka fitsaboana tao amin’ny CsbII ao Andonabe ity niharan-doza tamin’ny sivy  avrily teo ity.

 Voatery nalefa tao amin’ny hopitalibe Mananjary kosa ny alarobia  teo raha toa ka  tena mbola natahorana mafy ny fahasalamany. Nolazain’ity renim-pianakaviana tamin’izany fa  ny fianakavian’ny lehilahy nahavanon-doza no miantoka  ny lany rehetra amin’ny fitsaboana.

Zaza tsy ampy taona mamonjy alim-pandihizana ?

Nanaitra ny sain’ny  mpanara-baovao   avy hatrany  ity tranga iray ity satria dia nipetraka ny fanontaniana  hoe “ zazakely tsy ampy taona ve no  efa mamonjy alim-pandihizana sahady  ? Aiza ho aiza ny fitsipika mifehy eo amin’ny zanaka sy ny raiaman-dreny ? Iaraha-malala ihany koa mantsy fa samy manana ny fomban-taniny   ny Faritra maro eto Madagasikara saingy  tokony handraisana andraikitra goavana, fepetra hentitra hamongorana ny toe-javatra tahaka izao. Ilaina hamafisina rahateo koa  ny sazy henjana  mihatra  amin’ireo  lehilahy tratra manao izany  noho ny tsy fanajana ny zon’ny  zaza amam-behivavy   mirongatra loatra tato ho ato.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés