Webradio

MPANENDAKA ETO AN-DRENIVOHITRA : Roa lahy sarona teny Analamahitsy

Tovolahy roa 17 sy 18 taona no voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny kaomisaria boriborintany fahavalo Analamahitsy teny Masay, omaly, alarobia 10 avrily 2019 lasa teo tokony ho tamin’ny 02 ora sy sasany tolakandro. 12 avril 2019

Lehilahy nandeha an-tongotra avy any Ankorondrano nihazo an’i Masay no lasibatry ny asa ratsin’ireto tovolahy ireto. Nitondra finday «  android  » ilay lehilahy no narahan’izy ireo ka avy hatrany dia nosakanan’izy roalahy ary nambanany tamin’ny antsy.  Rehefa azon’izy ireo ilay finday dia nalefany nandeha ilay lehilahy. 

Niantso vonjy tampoka anefa ity farany rehefa nalefan’ireto mpanendaka nandeha ka Polisy nijoro tsy lavitra teo no nantsoin’ny fokonolona nisambotra ireo mpanendaka izay tsy lasa lavitra satria efa vory ihany koa ny fokonolona nanakana azy ireo. Tamin’ny fanadihadiana no nahalalana fa manao andiany izy ireo rehefa manendaka saingy izy roalahy no tra-tehaky ny Polisy.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés