Webradio

VOAFONJA MIISA TELO NITSOAKA TAO MAROANTSETRA : Nafindra toerana any Tsiafahy-Toamasina

Ny sabotsy 13 avrily lasa teo no niainga ilay sambo nitondra ireo gadra telo lahy tra-tehaka rehefa nitsoaka ny fonjaben’i Maroantsetra ny alin’ny 09 avrily 2019 lasa teo.  15 avril 2019

Izy ireto dia nentina hafindra toerana any amin’ny fonjaben’i Tsiafahy-Toamasina. Fepetra tsy maintsy noraisin’ny fanjakana ny famindran-toerana ireto gadra ireto, hoy ny kaomandin’ny vondron-tobim-paritry ny zandarimariam-pirenena ao Maroantsetra.
Nambarany fa noraisina manokana izao fepetra izao satria ireto gadra nitsoaka ireto dia nahavita heloka bevava, tsy noho ny fandosirany ny fonja ihany fa noho ny raharaha nahavoasaringotra azy ireo ka nahatonga azy nidoboka am-ponja.
Mba tsy hiverenan’io fitsoahan’izy ireo ny fonja io intsony ihany koa dia tsy maintsy natao izao famindrana izao.

Ampoizina ho efa hain’ireto voafonja tra-tehaka ireto tsianjery mantsy ny mombamomba ny fonjan’i Maroantsetra ka mety hanahirana kokoa ny fitazonana azy ireo hijanona ao, raha ny fanazavana voaray hatrany.
Raha tsiahivina dia voafonja miisa enina no nitsoaka ny fonjaben’i Maroantsetra io alin’io 09 avrily 2019 io. Ny efatra tamin’izy ireo no efa tra-tehaky ny mpitandro filaminana taorian’ny fanarahan-dia natao ka ny telo azo sambo-belona ary ny iray kosa matin’ny fitsaram-bahoaka rehefa avy nifampitady tamin’ny fokonolona tany an-toerana.

Ny iray tamin’ireo azo sambo-belona atao hoe “Alexandre” dia voarohirohy tamin’ny fanafihana mitam-piadiana mahery vaika sy ny fampihorohoroana ny mponina tamin’iny faritra iny raha toa ka vono olona kosa no nitanana an’i Barthelemi sy  “Fidelin.”  

Ny fiaraha-miasan’ny zandary avy ao amin’ny kaompania Maroantsetra sy ny fokonolona any an-toerana no nahafahana nisambotra ireto gadra nandositra ireto, hoy hatrany ny kaomandin’ny vondron-tobim-paritry ny zandrarimaria any an-toerana. Mbola mitohy kosa hatramin’izao ny fikarohana ireo gadra roa tsy tratra ary efa misy ny loharanom-baovao mikasika ny lalana nomban’izy ireo voarain’ny mpitandro filaminana any an-toerana amin’izao.

Ny Ami

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés