Webradio

FENOARIVOBE : Mpitrandraka volamena miisa 10 tototry ny tany

Ho fanatanterahana ny Politikam-panjakana eo amin’ny lafiny fitaterana dia ny «  fampifandraisana ireo tànana rehetra eto Madagasikara amin’ny alalan’ny fitaovam-pitaterana azo antoka, ieren-doza, ary manaja ny olona sy ny tontolo iainana”, ireo Koperativa rehetra mitrandraka ny zotra manodidina ny renivohitra sy ny zotra rezionaly ao anatin’ny Distrikan’i Mahajanga dia nifanaraka fa vonona ny hanaja ireo lalàna  rehetra mifehy ny fifamoivoizana sy ny lalàna mifehy ny asa fitaterana.  15 avril 2019

Ny mpitatitra rehetra izay mitrandraka ary maniry ny hitrandraka ny zotra ao anatin’ny Distrikan’i Mahajanga II dia tsy maintsy manaja ny didy aman-dalàna izay avoakan’ny Faritra, ny Distrika ary ny Kaominina. Ny mpandeha fiara fitateram-bahoaka sy ireo tompon’ny entana rehetra izay taterina koa dia tsy maintsy manaja ireo didy aman-dalàna samihafa mifehy ny asa fitaterana izay  navoakan’ny Fanjakana Foibe, ny Faritra, ny Distrika ary ny Kaominina.     

Ankoatra ireo fiarabe izay efa nomen’ny Fanjakana alalana hitatitra olona (manana ireo taratasy ara-dalàna rehetra avy amin’ny Fanjakana) dia tsy azo atao ny mitatitra olona amin’ny alalan’ny fiara fitateran’entana, ary tsy azo atao koa ny mitatitra entana amin’ny alalan’ny  fiara fitateran’olona. 

Ny fiarakodia ao anaty Kaoperativa, ary manana taratasy ara-dalàna toy ny karatra miloko volombatolalaka, ny karatra miloko volomparasy, ny fanamarinan’ny trano fiantohana, ny fahazoan-dalana mitrandraka ny zotra, ny karatra fitataovan-ketra  ary ny taratasy vita tomboka fanamarinana avy amin’ny Bmh fa efa voararaka fanafody hisorohana ireo areti-mifindra irery ihany no afaka miasa mitatitra olona ao anatin’ny Distrikan’i Mahajanga II. Ary ny mpamily manana taratasy fahazoan-dalana mamily fiarakodia ara-dalàna irery ihany koa no ekena hitondra fiara, raha feno 21 taona noho miakatra, manana fahazoan-dalana hitondra fiara sokajy D sy karatra maha matianina navoakan’ny Minisiteran’ny Fitaterana sy ny ATT. 

Zava-dehibe ny fandoavana tamberim-bidy

Tsy maintsy handoavana «  ristourne  » na tamberim-bidy ny entana rehetra izay voalazan’ny lalàna fa tokony handoavana izany, izay vao azo taterina. Anjaran’ny tompon’ny entana ny mandoa ny «  ristourne  » amin’ny rafitra izay tokony handoavana izany (Kaominina/Faritra …). Anjaran’ny rafitra izay voatondro haka ny «  ristourne  » kosa ny mandefa tompon’andraikitra haka izany mialoha ny hiaingan’ny fiara eny amin’ny Tobim-piatsonana.

Tsy azo ampiakarina ambony fiara fitaterana ny entana izay tsy misy rosia manamarina ny nandoavana «  ristourne  » ara-dalàna teo anatrehan’ny Fanjakana. Fitsinjovana ny mpitatitra sy ny mpandeha rehetra ao anaty fiara fitaterana, raha toa ka mandalo Kaominina maromaro ny entana anankiray izay handoavana «  ristourne  » dia mifandamina ireo Kaominina rehetra izay lalovan’ilay entana, mba ho indray mandeha ihany no toerana hitakiana izany «  ristourne  » izany amin’ny tompon’ny entana fa tsy isaky ny Kaominina rehetra izay handalovan’ny fiara. Ireo Kaominina rehetra izay efa manana lalàna mifehy ny resaka «  ristourne  » dia angatahana mba hampahafantatra izany amin’ny Kaoperativa fitaterana sy ny mpandeha, ireo Kaominina rehetra izay tsy mbola namoaka lalàna kosa dia amporisihana mba hamoaka ary hampahafantatra izany amin’ny besinimaro. 

Ary atolotra ny manam-pahefana dia ny minisitera misahana ny Fitaterana, ny ATT na ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety, ny lehiben’ny Distrika, ny Zandarimariam-pirenena ary ny Ben’ny tanàna io taratasy fifanarahana vao nohavaozina io, mba havadika ho lasa lalàna manan-kery, harahan’ny mpitandro filaminana maso ary azo anenjehana izay voakasika any amin’ny Fitsarana mahefa raha toa ka ilaina, hoy i Toky Rahaingo Rafanomezantiana, talen’ny Att eto Mahajanga, nandritra ny dinika nifanankalozana tamin’ireo mpisehatra ny fitaterana an-tanety tao amin’ny kaominina Betsako, ny zoma 12 avrily lasa teo. Miantso ny rehetra hatrany ity tale ity mba ho samy tompon’andraikitra manoloana ny asa fitaterana ny tenany, hialana amin’izay mety ho fanasaziana. " Att, mirary soa sy miasa ho anao" no filamatra. 

INVMGA

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés