Webradio

TRANGA

TRANOMBAROTRA IRAY NISY NANAFIKA TAO AMBILOBE : Vola mitentina 50 tapitrisa ariary lasan’ireo jiolahy, olona roa naratra

Nirefodrefotra ny basy, ny alatsinainy hariva, tokony ho tamin’ny 5 ora sy 10mn teo ho eo, tao amin’ny fokontany Anoronala kaominina ambonivohitra Ambilobe.  17 avril 2019

Tranombarotra sy fandraisam-bahiny  iray no lasibatry ny andian-jiolahy mirongo basy miisa 6 ka nahalasana vola mitentina 50 tapitrisa ariary sy firavaka volamena sy volafotsy. Voatifitr’ireto jiolahy ny tompon’ilay Tranombarotra fantatry ny maro amin’ny anarambositra  hoe Aly Ibus ka naratra mafy ary voatery nalefa notsaboina any amin’ny hopitaly manara-penitra any Antsiranana.  

Voakapoka ihany koa ny vadiny tamin’ny fakan’ireo jiolahy ny firavaka teo amin’ny vatany. Araka ny nambaran’ity farany, tampoka tamin’izy ireo ny fanafihana nataon’ireo jiolahy. «  Nipetraka teo ivelan’ny hotely izahay ary tsy nisy nanampo ny fanafihana nataon’ireto jiolahy ireto. Tsy nisy nisaron-tava ireto  farany ary nandrahona anay avy hatrany. Avoahy ny vola 3 miliara fa raha tsy izay vonoinay eto ianareo,  », hoy ireo  jiolahy, araka ny fanazavana nataon’ny vadin’i Aly Ibus. Niditra tao amin’ny tranombarotra i Aly Ibus ka narahan’ny jiolahy miisa 4 ary nodarohan’ireto farany. Tsy vitan’izany notifirin’izy ireo i Aly Ibus ka voa teo amin’ny soroka sy ny faritra misy ny sofiny.

Misesisesy ny fanafihana

Araka ny loharanom-baovao, nitrangana fanafihana mitam-piadiana misesesy tato ho ato tao an-tampon-tanànan’Ambilobe. Tsy latsaky ny telo, araka ny fantatra ireo mpandraharaha voatafika tato anatin’ny iray volana mahery. Anisan’izany ny fanafihana mpandraharaha teratany karana iray tompon’ny Tranombarotra iray manoloana ny tobin-tsolika «  Total  » ka nahalasana vola tsy latsaky ny 14 tapitrisa ariary sy mpandraharaha iray antsoina hoe Faby eny amin’ny fokontany Laidama. 

Araka ny fahitan’ireo mpanara-baovao any an-toerana ireto andian-jiolahy ireto ihany no ambadika ireny fanafihana misesisesy ireny. Nilaza ireo tompon’andraikitra ao amin’ny polisim-pirenena fa tsy hitsitsy amin’ireo jiolahy manao fanafihana mitam-piadiana ary miangavy  ny fiaraha-miasa amin’ny mponina. Nanome toky izy ireo fa tsy maintsy tratra ireto jiolahy ireto.

A.Lepêcheur

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés