Webradio

ROA LAHY NISANDOKA HO FIANAKAVIAN’NY KAOMISERA : Tra-tehaka nisoloky 1 400 000 ariary

Ny  fiatombohan’ny herinandro teo, tra-tehaky ny Polisy  misahana ny  filaminam-bahoaka tao an-tampon-tanànan’ Ambohimahasoa  ireo roa lahy  nisandoka ho fianakavian’ny Kaomiseran’ny Polisy  tao an-toerana.  17 avril 2019

Milaza ny ho mahatafavoaka ireo olona voasambotry ny Polisy ka  afaka madiodio ireto  olon-dratsy  ireto ary  takian’ny volabe amina an-tapitrasany ny olona izay roboka amin’izany. Fantatra tamin’ny loharanom-baovao voaray ary fa fianakaviana voarohirohy tamin’ny tranga fanafihana tany Mananjary, nahaverezana vola iray tapitrisa ariary  ny volana marsa lasa teo, tompon’antoka  tamin’ny  vaky   trano  tao amin’ity tanàna ity  ihany  koa  no voalaza fa  nosolokian’ireto roa lahy ireto.  

Nangalan’izy  ireo vola mitentina efatra hetsy  sy roa tapitrisa ariary   ny fianakaviana satria dia nandaingan’ireto farany  fa olona akaiky ny kaomisera  ary mahavita manafaka sy manala madiodio ny raharaha nahavoasaringotra ireto olon-dratsy.   Natoky azy ireo tokoa ny fianakaviana ka dia nanome ny lelavola notadiavina. Taorian’izay anefa dia  tafatsoaka ireto mpisoloky  ary nanao  fitarainana  ny nanome ny vola ka  raikitra fikarohana.  Tsy ela dia tratra  ireto  mpisandoka ireto. Mitohy ny famotorana lalina  ny zava-misy, rehefa vita izany dia hiakatra fampanoavana ny raharaha.

Hentitra amin’ny fanaovana  kolikoly ny Polisim-pirenena

 Manoloana ny firongatry ny fampanjakana ny  kolikoly, amin’ny lokony maro lafy dia hentitra dia hentitra ny eo anivon’ny Polisim-pirenena ny amin’ny  fanafoanana izany. Tsy hanaiky  moramora ireo izay  olona tratra izy ireo fa dia mihatra avy hatrany ny sazy henjana manaraka ny lalàna mifehy. Tsy azo tsinontsiniavina rahateo koa fa  anisany ady goavana sorohan’ny fanjakana mijoro  ankehitriny  ny ady amin’ny kolikoly.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés