Webradio

EZAKA NATAON’NY POLISIM-PIRENENA : Entana hatrany amin’ny 195 510 000 ariary tafaverina

Araka ny vaovao voaray avy eo anivon’ny polisim-pirenena dia tafaverina amin’ny tompony ny entana mitentim-bidy hatrany amin’ny 195 510 000 ariary. 10 mai 2019

 Tamin’ny talata faha 07 mey 2019, tokony ho tamin’ny 3 ora hariva teo dia nahazo angom-baovao marim-pototra ny Polisy avy ao amin’ny CSP2 ary tsy niandry ela fa avy hatrany dia nidina  ifotony teny Antohomadinika ka nahatratra “moto-pompe” marobe marika Ingico tsy misy taratasy ary tsy fanta-pototra namidin’ny lehilahy iray tokony ho 41 taona eo ho eo. Rehefa nofotorana sy nohadihadiana ity farany dia niaiky  fa entana nangalarina teny Itaosy ireto entana ireto ary rehefa natao koa ny fisavana ny tranony teo Antohomadinika ihany dia mbola tratra tao ny  “moto-pompe” marika “Ingico” miisa 105, “Miota” ary “Number one”, “Tuyaux aspirateurs” 101 mitovy marika amin’ireo “moto-pompe” ary   “tuyaux de refoulement” miisa 104. 

Rehefa fantatra ny tompon’ireto entana ireto dia nanambara fa entana tafiditra ao anatin’ny tsenambarotra an’ny FAO saika halefa any Ambovombe sy Taolagnaro ary Amboasary no tsy tody tany amin’izany toerana izany ireto entana ireto. Efa voaverina tanteraka tamin’ny  tompony izany amin’izao fotoana izao saingy mbola tsy tratra hatreto ny tompon’antoka tamin’ity halatra ity, mitohy kosa ny famotorana ataon’ny polisy.

N.A

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés