Webradio

ANKARAMENA - RN7 : Fiara mpitondra solika nahatrarana rongony milanja 700kg

Omaly  maraina, tokony ho tamin’ny dimy ora tany ho any, tra-tehaky ny zandarimaria avy ao Ankaramena, any amin’ny lalam-pirenena fahafito iny  indray ny rongony nafatratra tamin’ny  gony marobe, noentina fiara mpitondra solika iray.  16 mai 2019

 Raha ny loharanom-baovao voaray, eo amin’ny  manodidina ny 700 kilao eo ho eo  ireo  rongony tratra tao, izay    nafatratra tamin’ny gony 30  isa.  Olona  miisa 3 kosa ny tao anaty fiara nitondra azy  ka  notanana  tao amin’ny  biraon’ny  zandary avy hatrany  izy  ireo hatramin’ny omaly  mba hanatanterahana fanadihadiana.  Fantatra tamin’izay  fotoana izay fa tao  Ihosy no nandraisan’izy ireo izany ary  saika nokasaina hoentina  hiakatra an’Antananarivo.   

Raha tsiahivina, nahitana tranga mitovy tsy misy  valaka tamin’ity ihany koa  tao Ihosy, ny volana marsa lasa teo iny.  Rongony 20 gony milanja 300 kg no nafenina tao anaty kamiao mpitondra solika avy nanatitra solika tany Toliara tamin’io  fotoana  io. Efa tra-tehaky ny  zandary ireo olona miisa roa tompon’antoka tamin’izany.   Mipetraka eto ny fanontanian’ny mpanara-baovao ny amin’ny hoe  :  iza marina ireo olona ambadika  mpanao ity  afera maloto ity, izay atidoha manaparitaka ireo zava-mahadomelina ireo,  any amin’ny Faritra Atsimo iny  ? 

Betsaka ireo mametraka ny ahiahy   fa   mety ho tambajotra iray ihany  no manatanteraka  ity  tranga niseho sy ny tamin’ny volana marsa lasa teo iny   saingy   arahina   akaiky ny valin’ny famotorana  ataon’ireo zandary. Ny mahagaga mantsy dia  saika ao Ihosy hatrany no nahitana   fanaparitahana zava-mahadomelina misesisesy aman-taonany maro izay. Eo anatrehan’ izany indrindra dia hentitra ireo mpitandro filaminana misahana  ny fifamoivoizana amin’ny fanaraha-maso akaiky  ireo fiara mivezivezy.  Mitohy  hatrany  kosa ny famotorana lalina ireo  olona efa voasambotra, etsy andanin’izay dia  mangataka fiaraha-miasa amin’ny olon-tsotra hatrany  ireo zandary  ho fanamorana ny  fisamborana ireo olon-dratsy.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés