Webradio

FIADIDIANA NY REPOBLIKA : Nanao hetsika “Tagnamaro” tao amin’ny Epp Iavoloha

Nirotsaka an-tsehatra tamin’ny fanaovana “Tagnamaro” tao amin’ny EPP Iavoloha, omaly maraina ny mpiasan’ny fiadidiana ny repoblika ary nitarika izany ny foibe misahana ny raharaha sosialy sy politika.  16 mai 2019

Fanamafisana ny fandraisana anjaran’ny olom-pirenena Malagasy mba ho ohatra velona azo alain-tahaka amin’ny asa ifandrombonana mitondra tombotsoa ho an’ny fototrafitrasa iraisana ny hetsika “Tagnamaro” tahaka ity natao ity hoy, Razafimanatsoa Harilalao, Tale mpitantana ny sekoly. 

“Teto amin’ny Epp Iavoloha no nosafidianay hanaovana ny “Tagnamaro” tamin’ity anio ity satria ny Epp Iavoloha dia fananana iombonana akaiky indrindra raha miala ny lapa, amin’ny Tagnamaro tahaka izao dia ny olon-drehetra no mifanome tanana, miara-mikolokolo.” “Voizina amin’ny tagnamaro ihany koa ny fanabeazana sy ny famolavolana olom-banona ka ilaina ny manome ohatra ireto ankizy mpianatra ireto dieny izao mba hahatonga azy ireo ho fitaratry ny hafa sy hahay mandray andraikitra eny anivon’ny fiarahamonina misy azy avy”, hoy Ramatoa Rabeson Jessica, lehiben’ny sampan-draharaha misahana ny firotsahana an-tsehatra amin’ny asa sosialy avy eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika na ny DASP.

Nohamafisiny ihany koa fa ny olon-drehetra dia afaka manao “Tagnamaro” avokoa na ny ankizy na ny tanora, eny fa hatramin’ireo lehibe aza, na inona na inona andraikitra raisiny, na toy ny ahoana na toy ny ahoana toerana misy azy. Mahatratra hatrany amin’ny 570 ny mpianatra ao amin’ity Epp Iavoloha ity ary ankoatra ny fanaovan’ny Dasp ity Tagnamaro ity tao an-toerana dia nisy ihany koa ny fanomezana “Koba aina” sy vary ho an’ireo mpianatra ireo. Isan’ny asa goavana vitan’ny mpiasa avy ao amin’ny fiadidiana ny Repoblika nandritra ity Tagnamaro ity ny fandokoana ny rindrin-tsekoly, fambolena fefy manodidina ny sekoly,  fanadiovana ny tokotany,  fanadiovana ny atin-tsekoly toy ny dabilio, seza, latabatra ary ny fikolokoloana ny zaridaina. 

Ankoatra ireo dia nolokoina avokoa ny tabilao rehetra tao anatiny. Velom-pisaorana ny Filohan’ny Repoblika, Andry Rajoelina tamin’ny fanohanany sy fanavaozana ny Epp Iavoloha tamin’ny alalan’ny Dasp ireo mpampianatra rehetra tao amin’ity sekoly ity ary nambaran’izy ireo fa betsaka ny azo raisina tamin’ny ohatra tsara nalain-tahaka navoitrany.

N.A

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés