Webradio

JIOLAHY RAINDAHINY TRATRA TENY ITAOSY : Saron’ny zandary tao an-tranony ireo poketran’olona voaendaka

Tovolahy iray  vao erotrerony no nisantatra ny  “violon” tao amin’ny borigady vaovaon’Itaosy raha toa ka ny 7 jona farana’ny herinandro  lasa teo no notokanana ny trano fiasan’ ity  borigadin’ny Zandarimaria  Ambohidrapeto ity.  11 juin 2019

Manoloana ny angom-baovao voaray   dia ny 9 jona tokony ho  tamin’ny 12 alina no nifanehatra tamin’ny  zandary mpanao fisafoana teny Antanetibe Ambohidrapeto io  jiolahy io  ka nandositra avy hatrany. Raikitra ny fanenjehana  ka tratra ihany ity farany  nony avy eo.  Rehefa natao ny fisavana  dia  tra-tehaka tao amin’ny trano fonenany  ireo  poketra marobe avy nendahina.

Nahitana karapanondron’olona isan-karazany, “cachet”, fanalahidy ary  koa ireo entana halatra madinidinika. Mbola nahitàna fonosana rongony sy fanafody gasy marobe ihany koa aza tao raha ny tatitra  voaray hatrany. Niaiky  hy heloka  vitany tokoa ity farany  fa  mpamaky trano sy mpanendaka ary eny Ambohidrapeto, Ampasika, 67h no   toerana anaovany ireo asa ratsiny.  Andalam-pikarohana  ireo  olon-dratsy namany hafa moa ny zandary ankehitriny. 

Nahavelom-bolo ny mponina eny amin’ny manodidina  ny fahatratrarana  olon-dratsy tahaka izao, etsy andanin’izay ny  fisiana Borigady vaovao natao hiaro ny  vahoaka eny an-toerana. Tsara mantsy  ny manamarika fa isany mamaivay  amin’ny lafin’ny tsy  fandriam-pahalemana   eny  Itaosy.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés