Webradio

TAMBAJOTRA MPAMAKY FASANA : Naiditra am-ponja izy valo mianadahy

Ny alatsinainy 03 jona 2019 tokony ho tamin’ny valo ora alina lasa teo dia naharay tatitra ny tobim-paritry ny zandarimaria nasionaly tao Manjakandriana  fa misy olona tsy fantatra mihaodihaody amin’iny  Kaominina Ambohibary  iny.  13 juin 2019

Nandefa zandary mba hanao ny fisafoana ny kaomandin’ny tobim-paritra ny alin’io ihany, ka tokony ho tamin’ny valo ora maraina dia nisy mpandalo nahatsikaritra ireo olona roa nampiahiahy ireo ka niantso avy hatrany ny mpanao fisafoana. Nanao ny ezaka rehetra ireto zandary hisamborana ireo olona ireo. Tratra teo amin’ny toerana antsoina hoe Bevava  manamorona ny lalam-pirenena faharoa ireo lehilahy roa raha nikasa ny hihazo an’ Antananarivo. 

Rehefa natao ny famotorana sy ny fisavana azy ireo dia tsikaritry ny zandary ny fihetsika mampiahiahy nasehon’izy roalahy ireto satria nikasa ny hamoaka antsy tao anaty sakaosy izy ireo mba hanoherana. Nosamborina avy hatrany izy mirahalahy ireo ary nentina tany amin’ny birao mba hanaovana ny fisavana bebe kokoa, tra-tehaka nandritra ny fisavana ny tapa-by maromaro sy “ barre à pince”, “barre à mine” ary vola tsangan’olona. Rehefa nanontaniana ny  ampiasana ireo fitaovana ireo dia niaiky izy mirahalahy fa fitaovana fitondrany mamaky fasana izy ireo. Ny talata 04 jona 2019, dia nanao tatitra ny olona tao Ambohibary fa nisy fasana roa vaky teny amin’ny manodidina. Rehefa nalaina am-bavany izy roalahy ireo dia niaiky fa izy no nanatanteraka ireo vaky fasana ireo. 

Ho fanohizana ny fanadihadiana dia niroso tamin’ny fisavana ny tranon’izy roa lahy ireo. Tamin’ny alalan’ny fanadiadiana izay nataon’ny avy ao amin’ny Vondron-tobim-paritry ny zandarimaria eny Imerinafovoany ihany koa no nahafantarana olona iray ankoatra azy ireo  izay naman’izy roalahy ireo ihany. Rehefa natao ny fanadihadiana momba io olona iray io dia nilaza anarana olona roa hafa ihany koa izy izay namany mpiara-mamaky fasana aminy. Rehefa nampahafantarina an’ireo roalahy tratra tamin’ny voalohany izany trangan-javatra izany dia nanamafy izy ireo fa efa niaraka taminy ireo olona voatonona ireo, ary mbola nanonona olona roa hafa ihany koa izy.

Nandritra ny fanadihadiana natao azy ireo hatrany dia samy niaiky ny heloka vitany izy ireo ary nilaza fa izy ireo avokoa no namaky ny fasana tamin’ny faritra maro manodidina an’Antananarivo, Manjakandriana, Andriapamaky, Talata Volonondry Ambohimangarova/Avaratra, Antsefahy, Andoharanofotsy, Ankadivoribe, Ambohibary ary Antsirabe sy ny maro hafa. Efa natolotra ny Fitsarana ireo olona ireo ary efa naiditra am-ponja vonjimaika daholo ka  fito nalefa any Tsiafahy ary vehivavy iray  eny Antanimora.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés