Webradio

LEHILAHY TRATRA NANGARONA NY PAOSIN’ NY NAMANY : Naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora

 Tsy mifidy olona hanatanterahana  ny asa ratsiny  intsony  ireo  mpangarom-paosy   amin’izao fotoana  fa na ireo olona akaiky aza dia angalarana avokoa.  13 juin 2019

Raha toa ka vao tamin’ny herinandro lasa teo  iny  no nahatrarana rangahy iray   tratra nangarona ny paosin’ ny mpiara-miasa aminy (voaporofo tamin’ny alalan’ny fakan-tsary fanaraha-maso ) dia tovolahy iray  indray no voasambotry ny polisy ao amin’ny boriboritany fahafito ny alatsinain’ny pantekoty  teo tokony ho tamin’ny 9ora sy sasany alina noho  ny resaka harom-paosy. 

Araka ny zava-nisy dia niaraka nisotrosotro tamin’ny namany ity mpangarom-paosy ity ka rehefa mamomamo ny namany dia nanao ny asa ratsiny izy nangarona ny paosin’ireo namany saingy tra-tehak’ireto namany hafa ity tovolahy ity raha iny nanao ny asa ratsiny iny. Nentin’ireo namany tao amin’ny biraon’ny polisy tao 67ha ity tovolahy ity ary efa natolotra ny Fitsarana ka naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés