Webradio

ASAN-JIOLAHY TOAMASINA : Tratra ny mpamily kamiao nitondra entana halatra milanja 8 taonina

Ny alin’ny sabotsy 15 jona 2019 lasa iny  dia nahazo loharanom-baovao ny Polisy tao amin’ny kaomisarian’ny Polisy  Boriborintany voalohany  Tanambao Toamasina  fa nisy andian’olona nikasa hamaky  ny magazay fitahirizana jirofo eny amin’ny faritra RN5 iny.  18 juin 2019

Rehefa nahare an’izany ny Polisy dia nidina tany an-toerana avy hatrany ka namantatra sy nisambotra an’ireo jiolahy ireo. Tamin’io fotoana io dia tratra ny kamiaobe nitondra ny entana halatra milanja eo amin’ny 08 taonina  eo  mahatratra 160 lasaka  niaraka tamin’ny mpamily.

Nentina tany amin’ny kaomisaria avy hatrany  ilay kamiao  misy ny entana niaraka tamin’ny mpamily mba hatao fanadihadiana. Tamin’io fotoana io dia ny mpamily irery ihany no tao anatin’ilay kamiao nitondra ny entana. Nahavitan’izy ireo taratasy hosoka anefa ity entana ity mba hahafahana mitondra izany eny an-dalana. Nilaza ny mpamily fa nisy nanakarama izy hitondra ireo entana ireo ka  dimy alina sy iray hetsy  no karamany amin’izany. Mitohy ny fanadihadiana hamatarana ireo niara-niasa tamin’ity mpamily ity hatramin’ izao.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés